MOFON’AINA ALAROBIA 10 AOGOSITRA 2022

9 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ny antokon’ny miaramilanay Hianao. 10 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. 11 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ny firenen-tsamy hafa. 12 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ny vidiny. 13 Ataonao fandatsan’ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’izay manodidina anay. 14 Ataonao ho ambentinteny amin’ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ny olona maro. 15 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, 16 Noho ny feon’ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. 18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay. 19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ny fitoeran’ny amboadia sy nanarona anay tamin’ny aloky ny fahafatesana. 20 Raha nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ny andriamani-kafaSALAMO 44:9-20

MIORENA TSARA, AZA MIOVA!

1- Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza

« Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay » (and. 11). Maneho faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ity Salamo ity. Ny fijery mahazatra tany amin’ny bokin’ny Deoteronomia dia fitahiana no miandry ny olo-marina. Miharihary tao amin’i Jesoa anefa fa malalaka amin’ny fanapahan-keviny Andriamanitra. Mety handalo fotoan-tsarotra ihany koa ny mpino amin’ny fotoana sasany. Nampiomana antsika ny Tompo hoe : « Fa aoka ho fantatra izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory » (2 Tim 3 :1). Mitaky faharetana amintsika izany.

2- Mifikira hatrany amin’ny Tompo

Nitanisa ireo fahoriana samihafa nianjady taminy ny mpanao Salamo. Toa nariana, nahatsiaro menatra, niady irery, natao tsinontsinona, naely, fanakora, faneso, afa-boninahitra, (and. 9-16). Tena mampahatsiaro antsika izay niaretan’i Jesoa tao Golgota izany. Fa nifandray tamin’ny Rainy hatrany Izy. Ny mpanao Salamo ihany koa dia nanamafy hoe: « Izany rehetra izany no nanjo anay kanefa tsy nanadino Anao izahay » (and. 17). Vao mainka hamafiso ny finoana, mifikira hatrany amin’ny Tompo.

3- Ekeo hatrany ny fitantanany ny fiainanao

Tsy dia hita taratra ato amin’ity toko 44 ity mihitsy izay hirika na vahaolana manangasanga manoloana ny fahavoazan’ ny mpanao Salamo. Ny azo antoka dia fitaovana nanampy ny mpanao Salamo hifikitra amin’Andriamanitra, hiantoraka Aminy ilay zava-misy. Aza miandry vahaolana ianao vao mitraka fa mitrakà mba hahita vahaolana. Meteza hanahaka an’i Joba izay nahay nisaotra ny Tompo na dia tao an-katerena aza. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa miara-miasa hahasoa ireny.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.