MOFON’AINA ALAKAMISY 11 AOGOSITRA 2022

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. 35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. 36 Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? 37 Fa inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? 38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.MARKA 8:34-38

NY OLONA MENDRIKA HANARAKA NY TOMPO

Izay tena ambara amin’izany dia ny fanomezana ireo fepetra takina amin’ny olona te ho isan’ny mpianatr’i Jesoa. Maro mantsy ny misora-tena ho mpianany kanefa tsarovy fa tsy anarana enti-poana akory ny maha mpianany koa indro Izy manolotra izany fepetra izany.

1. Mandà ny tenany

Milaza teny roa i Jesoa eto dia ny « mandà ny tenany » sy ny hoe « mitondra ny hazo fijaliany ». Mifanazava ihany anefa ireo satria ny fandavana ny tena dia tsy mantsy miafara amin’ny fitondra ny hazofijaliana ihany. Mety mahagaga tokoa izany teny izany nefa tena mampiomana ho amin’izany mihitsy ny Tompo. Ny hoe manaraka Azy raha raisina ara-bakiteny dia mandeha amin’ny lalana nalehany mihitsy. Ny mpianatra izany hoe ny apostoly, dia mahafantatra tsara ny fomban’ny Romana momba izany hazo fijaliana izany satria raha tsorina ny hazo fijaliana dia fahafatesana mihitsy no dikany. Ny manaraka ny Tompo izany dia tsy maintsy mivonona manafoana ny tenany ary mahafoy ny ainy mihitsy tahaka Azy.

2. Tsy mahazo menatra Azy sy ny teniny

Ny ambara amin’ny hoe menatra ny Tompo eto dia milaza ny fakam-panahy mahazo ny Kristianina voaenjika izay mahasahy mandà ny Tompo mihitsy satria tena matahotra ny ho faty amin’ny fanarahan-dia Azy; tahaka an’i Petera izay nahavita nandà Azy tsotra izao. Tokony ho fianarana ho antsika ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo martiora samihafa. Ny Malagasy izao dia tena nanana izany martiora nijoro noho ny finoany an’i Jesoa Kristy izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.