MOFON’AINA ALAROBIA 10 JONA 2020

34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. 35 Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
JAONA 13 : 34,35

NY MPIANATR’I JESOA KRISTY

Jaona Apostoly no mpanoratra boky be indrindra aorian’i Paoly Apostoly ao amin’ny Testamenta Vaovao. Boky dimy no nosoratany (Filazantsara araka an’i Jaona, Epistily telo ary ny Apokalypsy). Anisan’ny matanjaka ao amin’ny Testamenta Vaovao ny Teôlôjian’i Jaona Apostoly. Teôlôjia izay azo ambara fa mifototra amin’ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ny mofonaina androany dia tafiditra ao amin’ny lahateny fanaovam-beloma nataon’i Jesoa tamin’ny mpianatra ka nanafatrafarany ny mpianatra ny amin’ny fifankatiavana. Asehon’i Jaona fa toy ireo olo-malaza ao amin’ny Testamenta Taloha Jesoa ka manao lahateny fanafatrafarana sy fanaovam-beloma toa an’i Mosesy, Josoa, sns…
Samy manana izay hihavahany amin’ny hafa ny fikambanana rehetra eto amin’izao tontolo izao. Ny fiangonana dia fikambanana masina izay tena miavaka tokoa noho izy fikambanan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy. Ny mpianatr’i Jesoa

  1. Mifankatia (and 34)

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa »

Ambaran’i Jesoa eto amin’izao mofonaina izao fa didy vaovao ity nomena ny mpianatra ity. Ny maha-vaovao azy dia didy mitaona ho amin’ny fifankatiavana izy ity. Izany hoe fitiavana ifanolorana, fitiavana ifamaliana, domberin’ny fitiavana. Koa izay mahatsiaro notiavina dia mba manana adidy ihany koa mitia izay nitia azy. Tsy fantatry ny tontolon’ny Testamenta Taloha izany domberin’ny fitiavana izany. Antsoin’i Jesoa hifankatia ny mino. Rehefa nantsoiny ho amin’izany fifankatiavana izany dia nomeny modelin’izany fifankatiavana izany. Ny fomba nitiavan’i Jesoa no itiavana ny hafa. Toa izao izany fitiavan’i Jesoa izany : tsy nahajery tena fa nijery ny hafa mandrakariva, nampandefitra ny tombontsoan’ny tena mba ahazoan’ny hafa tombony bebe kokoa, nahafoy ny ainy sarobidy hamonjena izao tontolo izao. Izay milaza ny tenany fa mpianatr’i Jesoa dia antsoina koa hanao toa izao voalaza nataony izao. Izany no tena maha-mpianatr’i Jesoa Kristy tokoa.

  1. Fantatra amin’ny fifankatiavana (and 35)

«Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia »

Teo amin’ny sivilizasiona Grika fahiny dia adidin’ny mpianatra ny mampahafantatra ny mpampianatra. Nisy ireo mpianatr’ireo Filôzôfa malaza toa an’i Platon, Aristote izay fantatra noho ireo zavatra nataon’ireo mpianany. Toy ny fihetsika izany, ny fiteny, ny fitafy, ny filôzôfia rahateo. Samy manana izay hahafantarana azy ny fikambanana rehetra. Misy izay fantatra amin’ny marika, amin’ny fihetsika, amin’ny fiakanjo, sns… Ny mpianatr’i Jesoa kosa dia fantatra amin’ny fifankatiavana. Fantatra noho izy ireo mifandray amin’ny fitiavana marina tsy mihatsaravelatsihy, fantatra amin’ny fahafoizana ho enti-manasoa ny hafa ka tsy mba mitady valiny na tombony manokana amin’izany. Hita taratra io fifampitondrana am-pitiavana io tamin’ny kristianina tao amin’ny fiangonana voalohany. Mbola maro koa no maneho ny maha-mpianatr’i Jesoa azy ireo amin’ny modelim-pitiavana napetrak’i Jesoa. Soatoavina tsy fanary, tsara tehirizina mandrakariva, ary ampitaina ho amin’ny taranaka mandimby izao napetrak’i Jesoa izao.

Adidintsika taranaka indray mihira ankehitriny arak’izao ny mampahafantatra an’i Jesoa izay tonga teto amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fifankatiavantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.