MOFON’AINA ALAKAMISY 11 JONA 2020

1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ny rahalahiny azy izy. 2 Dia nitomany mafy izy, ka ren’ny Egyptiana, ary ren’ny tao an-tranon’i Farao koa. 3 Ary hoy Josefa tamin’ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. 4 Ary hoy Josefa tamin’ny rahalahiny: Avia, manatona ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho aty Egypta. 5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo aty. 6 Fa roa taona izao no efa nisian’ny mosary teto amin’ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. 7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe. 8 Ary amin’izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’i Farao, sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. 9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Josefa zanakao: Efa nataon’Andriamanitra ho tompon’i Egypta rehetra aho; ka midina hankaty amiko, fa aza mijanona; 10 dia honina eo amin ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’osinao sy ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao. 11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. 12 Ary, indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Dia hambaranareo amin’ikaky ny voninahitro rehetra aty Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana hianareo, ka ento midina aty ikaky. 14 Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ny vozony.
GENESISY 45 :1-14

NY TENA FITIAVANA

Ny bokin’ny Genesisy dia mizara roa mazava tsara rehefa dihinina tsara izay voasoratra ao. Ny fizarana voalohany dia iresahan’ny mpanoratra ny amin’ny fahariana sy ireo fiandohana samihafa (Gen 1 – 11), ny fizarana faharoa kosa dia iresahan’ny mpanoratra manokana ny amin’ireo Patriarka (Abrahama, Ismaela sy Isaka: Gen 12 – 25 : 18 – Jakoba: Gen 25 : 19 – 36. 43 – Josefa: Gen 37 – 50). Ny mofonaina androany dia miresaka manokana an’i Josefa, fitantara ny fomba nihaonan’i Josefa tamin’ireo rahalahiny nivarotra azy ho andevo ka lasa tomponandraikitra ambony tany Egypta . Tantara izay maneho amintsika ny fitiavan’i Josefa ny rahalahiny. Fa ny tena fitiavana

  1. Miseho amin’ny fahaiza-mamela heloka (and 1-5)

« Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo aty »

Rehefa nahita ny fahantran’ireto rahalahiny Josefa dia nitomany. Teo anatrehan’izany dia antra azy ireo izy ka navelany ny helony. Ary tsy navelany nanamelo-tena akory aza ireto rahalahiny. Be fitiavana izy ka vitany izany. Ny fahaiza-mamela heloka no endrika hita maso maneho ilay fitiavana tsy hita maso sy tsy mety maty tao amin’i Josefa. Tiany ny rahalahiny na dia nanao izay tsy nety taminy aza. Ny herin’ny fitiavana no hahavitan’ny olona manadino ny ratsy natao taminy ka mamadika izany ho toy ny zavatra tsara. Tena miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra tokoa ny zavatra rehetra, koa izay zavatra faran’izay mangidy indrindra aza tonga fitahiana sy fahasoavana ho an’izay be fitiavana.

Be fitiavana koa isika rehefa tena mahavita mamela ny hafa na dia mavesatra sy mafy aza no nampitondrainy antsika. Izay manana ny fitiavan’Andriamanitra no mahavita izany, Andriamanitra izay namela ny helotsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. « fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra » (Oha 10 :12). Hangataho amin’i Jesoa ny tena fitiavana ho enti-mitia ny hafa.

  1. Mahatakatra ny fitondran’Andriamanitra (and 7-14)

« Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe. 8 Ary amin’izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’i Farao, sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra »

Noho ny fitiavana be tao amin’i Josefa dia tonga takany ny fandaharan’Andriamanitra. Fantany fa raha tsy namidy ho andevo izy tsy tonga tany Egypta, ary tsy ho afa-namonjy ny rahalahiny. Nekeny izao fandaharan’Andriamanitra ny fiainany izao. Io fahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra io no nanampy azy hamela heloka ireto rahalahiny. Na inona tranga misy eo amin’ny fiainana, fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, ny fahatakarana ny sitrapony no hanekentsika ny tranga mahazo antsika. Ary amin’izany dia tsy manome tsiny na iza na iza ka tonga fitahiana ho an’ny hafa isika. Jesoa dia tena nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra raha teto amin’izao tontolo izao ka tonga fitahiana ho an’ny olona rehetra.

Ny olona be fitiavana dia mahavita manao zava-mahagaga tsy takatry ny saina maha-olombelona mandrakariva. Asehon’ny tantaran’ny fihaonan’i Josefa sy ireo rahalahiny ny hery mahagagan’ny tena fitiavana. Be lavitra noho ny an’i Josefa ny fitavan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy. Fitiavana mahavita mamela ny helok’izay namono Azy teo amin’ny hazo fijaliana, fitiavana te hampandova ny fanjakan’Andriamanitra na dia ho an’ireo olona tsy mendrika akory aza. Fitiavana miseho amin’ny famonjena izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.