Mofon’aina – ALAROBIA 20 JIONA 2018

34 Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana.38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra.39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
SALAMO 37:34-40

IZAY MANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA NO HANDOVA FIAINANA

Fampanantenan’Andriamanitra ny olony hatrany am-piandohana hatrany amin’ny Genesisy ny fampandovàna tany ny olony (ohatra : Gen. 12:7 ; …sns) ary nitety vanim-potoana mihitsy izany fampanantenana izany. Andriamanitra mantsy dia tsy mampisaraka velively ny olona amin’ny tany. Tsy ny olona rchetra anefa dia nokendreny handova izany, fa ireo izay manaraka ny fepetra teneniny ihany. Araka ity salamo ity dia ireto no arahana mba handovana ny tany :

1 – Miandry ny Tompo

Ny hoe « miandry » dia filazana elanelam-potoana fiandrasana izay mety tsy ho voafaritra mialoha. Rehefa miandry koa dia misy zavatra maro samihafa sedraina ,noho izany rehefa miandry ny Tompo dia mila mandefitra (jereo Sal. 37:11) mandefitra amin’ny zavatra mitranga manodidina rehetra, mitaky fiaretana koa ny miandry (jereo Sal. 130:5‑6) ary tsy miala amin’ny fialofana Aminy velively amin’izany ka manantena ny famonjen’Andriamanitra sy ny heriny mba hanampy ny olona (jereo Oha 20, 22 ; [sa 57, 13). Entanina àry ny olona haharitra hiandry ny Tompo ka tsy  ho mora kivy eo am-piandrasana .

2 – Mitandrina ny làlany

Ahoana moa no hahafahana hitandrina ny làlan’Andriamanilra raha tsy mahafantatra ny làlana aloha ? Ho an’ny kristiana dia tsy sarotra izany satria i Jesoa no làlana. Mila manana Azy izany fa tsy mandeha amim-pahazarana fotsiny na mandeha amin’ny endrika ivelany fotsiny.

Fanontaniana :

Afaka miteny ve ny kristiana hoe: handova ny tany ampanantenain’ny Tompo azy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !