Mofon’aina – ALAKAMISY 21 JIONA 2018

6 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.7 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ ny Filistina sy ho eo an-tànan’ ny taranak’ i Amona Izy.8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak’ Isiraely ireo tamin’ izany taona izany: valo ambin’ ny folo taona no nampahoriany ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay tany an-dafin’ i Jordana, tany amin’ ny tanin’ ny Amorita any Gileada.9 Ary nita an’ i Jordana ny taranak’ i Amona mba hiady koa amin’ ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’ i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.10 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’ Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.11 Ary hoy Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak’ i Amona ary ny Filistina va Aho?12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko hianareo, dia novonjeko tamin’ ny tànany.13 Nefa hianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.14 Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ ny andron’ ny fahantranareo.15 Ary hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.
MPITSARA 10 :6-16

NY  FANOMPOANA ANDRIAMANITRA  HAFA DIA:

1-Mahatezitra  an’ Andriamanitra

Fitantarana  sy fanehoan-javatra  tena miavaka  ao amin’ny Baiboly ny fanehoana  ny  fifandraisan’ny  olona amin’ Andriamanitra,  satria  haseho ao fa tena mpivadibadika  tokoa ny  olona  , izany  hoe: ny  fanekeny  an’ Andriamanitra  ho Mpamonjy  sy hivavahana nefa  vetivety  eo  dia miala  amin’ Andriamanitra indray izy ireo  fa mitodika  amin’ny zavatra  hafa mihitsy . Haseho  eto  fa mahatezitra  mafy  an’ Andriamanitra  izany  fihetsiky ny  olona izany  ka mahatonga   Azy hampitondra faisana ny  olona . Eto  izany  dia aseho  amin’ny hoe: nahantra  indrindra ny zanak’  Israely, izany  hoe: niaina  tao  anaty  fijaliana tamin’ny  lafiny rehetra noho  ny fialana tamin’ Andriamanitra , satria  nahatezitra mafy  Azy ny zavatra nataony .

2-Miantso ny  olona hiverina Aminy  Izy 

Ao  amin’ny  and  14 dia manao  eson-teny  ny  olona Andriamanitra  noho ny hadalan’ny  olona ihany , kanefa mampieritreritra  koa Izy  ka  hiantso  azy handanjalanja ny  zavatra  misy  eo amin’ny fiainany . Taomina ny olona hampitaha  hoe: nanao ahoana  izy  fony  teo  ambany  fitondran’ Andriamanitra  sy ny zava-nanjo  azy ireo rehefa niala tamin’ Andriamanitra indray. Tsapa  eto fa nahatsiaro  ny fahadisoany  ny  olona ka nanao hoe:  « efa nanota izahay , ataovy  aminay  izay rehetra  sitrakao, kanefa  mba vonjeo  izahay » (and 15). Lazaina fa mahatsara ny  olona ny zava-tsarotra  mihatra  amin’ny fiainany  mba handinihany  tena.

Fanontaniana:

Manaiky  ve ianao  fa  mahatsara  ny  olona , ny  kristiana  indrindra ny  zava-tsarotra  sedrainy?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !