MOFON’AINA ALAROBIA 22 DESAMBRA 2021

1 Ary hiteny ianao amin’izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Ianao. 2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy. 3 Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena. 4 Ary hiteny ianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany . 5 Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany. 6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ny Isiraely.
ISAIA 12 :1-6

NAHOANA NO MIDERA AN’ANDRIAMANITRA NY OLONA ?

Ny olona faly no midera an’Andriamanitra . Ny antony hiderana sy hankasitrahana an’Andriamanitra . araka izay hitantsika eto dia ireto manaraka ireto ;

1- Avy amin’Andriamanitra ny famonjena (and 1-3)

Tezitra Andriamanitra rehefa mnia tsy manaraka ny teniny ny olona , kanefa hita miharihary fa ao ambadik’izany fahatezerany izany ny fitiavany te-hamonjy sy hanafaka ny olony . Tsy sitrany ny hahita ny vahoakany hiharam-pahoriana sy ny esoeso ataon’ireo firenena mpiavonavona sady maniratsira Azy .Rehefa mahatsiaro ho nanenina, ka miala amin’ny ratsy ny olona dia tonga ny famonjena sy ny fampiononany. Maniraka mpanompo Izy mba hanatanteraka izany famonjena izany. Ny hevitry ny anarana hoe : « Isaia » dia « Jehovah no Mpamonjy ». Nirahiny ny zanany, dia i JESOA KRISTY mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana, ka hananantsika ny fiainana mandrakizay.

2-Satria mijoro ho vavolombelony

Ny olona faly noho ny famonjen’ny Tompo dia tsy hamihina ho azy samirery ny hafaliany fa hizara kosa amin’ny hafa .Izay rehetra efa novonjen’Andriamanitra dia tsy maintsy hanao ho zava-dehibe ny fitaomana ny hafa mba hankalaza sy hidera Azy .Miainga amin’ny fanambarany izay nataon’Andriamanitra taminy izany : « Indro Andriamanitra no famonjena ahy…Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako , fa efa famonjena ahy izy » (and 2) , ka miafara amin’ny fitaomana ny hafa hiara-mankalaza sy midera Azy . »Mankalazà an’i Jehovah , fa asa lehibe no nataony , ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany « .Nametraka hafatra ho antsika Fiangonana ny Tompo mba ho vavolombelony hatrany amin’ny faran’ny tany (Asa 1 :8)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.