MOFON’AINA TALATA 21 DESAMBRA 2021

16 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo. 17 Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin’ny Ray Aho? 18 Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy. 19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo? 20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. 21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ny tany. 22 Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo. 23 Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany. 24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo
JAONA 16 :16-24

VETIVETY FOANA

Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo (Jao 16 :16).Tsy mazava tamin’ny mpianatra ny tenin’i Jesoa momba izany ka nohazavainy araka izao manaraka izao :

1-Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo

Fotoana mialohan ‘ny nisamborana an’i Jesoa io fotoana nitenenany tamin’ny mpianatra io, ka izany no nilazany hoe : «  vetivety foana«  ». Midika izany fa efa manakaiky ny fotoana hisamborana Azy sy hahafatesany. Ary amin’izany dia hisaona sy hitomany Azy ny mpianany, satria hosamborina sy hovonoina ilay mpampianatra azy (and 20). Fotoana sarotra sy mafy indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra io fotoana io ho an’i Jesoa, fotoana nahitan’ny mpianatra ny mangidy indrindra tamin’ny fanarahana ny Tompo. Ny fotoana hibanjinantsika ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy da tokony ho fotoana hahatsiarovantsika fa tsy maintsy handalo fahoriana koa isika ka hitomany sy hisaona, fa izao tontolo izao kosa hifaly.

2-« Vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo  »

Hazavain’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanoharana ny Tenony. Alohan’ny hahaterahan’ny vehivavy dia miatrika fanaintainana mafy izy, fa rehefa teraka kosa ny zaza dia hivadika ho fifaliana izany (and 21). Ho mafy amin’ny mpanatra ny hanatri-maso ny fahafatesan’i Jesoa, saingy vetivety foana , izany hoe: rehefa afaka ny hateloana dia hahita Azy hitsangan-ko velona ny mpianatra ka ho fay sy ho ravoravo . Fifaliana lehibe ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpino rehetra izany, satria hahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny làalan’ny hazo fijaliana, izay manome fiainana mandrakizayn ho an’izay rehetra mino .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.