Mofon’aina – ALAROBIA 27 SEPTAMBRA 2017

14 Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an’ i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny làlana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an’ i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.19 Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.20 Raha mahafoy an’ i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.21 Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.22 Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an’ i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.24 Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
JOSOA 24 :14-24

IZAY ANDRASAN’ ANDRIAMANITRA AMIN’NY OLONY

1-Mandray  fanapahan-kevitra  marina

Mitaona  ny zanak’ Israely  handray  fanapahan-kevitra mazava  sy marina  ny amin’izay  tokony hirosoan’izy ireo   ho  amin’ny fanompoana  an’ Andriamanitra i Josoa. Ambarany  fa rehefa  tapa-kevitra hanompo an’ Andriamanitra ny olona dia manary  ny andriamanitra tsy  izy, izay  mety  ho notompoin’ny fianakaviany taloha. Aharihariny i Josoa fa tsy azo ampiarahana ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny andriamanitra tsy izy na ny sampy. Tsarovy  àry  fa namonjy sy nanafaka antsika tamin’ny fatoran’ny fahotana i Jesoa Kristy. Tapaho  ny hevitrao  mba hanompo  Azy.

2-Manatanteraka ny teny nomeny 

Tsy  mitana ny teny nomeny matetika ny zanak’ Israely. Fantatr’i Josoa mazava  tsara izany. Manoloana izany indrindra dia manambara amin’ny Zanak’Israely  izy  fa Andriamanitra masina sady saro-piaro  Izy . Tsy  ankasitrahany  ny fampifangarohana ny fanompoana  Azy  amin’ny andriamanin-kafa . Mampitandrina  ny olona noho  izany i Josoa  fa raha mivadika amin’ Andriamanitra dia ho avy  ny fampahoriana sy  ny fanandrinana azy ireo. Tarihina hatrany  isika mpino , mba hitana ny fanekena nataontsika tamin’ Andriamanitra . Raha  tsy  manatanteraka ny teny  nataontsika taminy  isika dia hanafay antsika Izy.

Fanontaniana:

Nahoana isika no tsy mitazona sy manatanteraka ny fanekena izay nataontsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen!