MOFON’AINA ALAROBIA 29 JONA 2022

36Ary ny Fariseo anankiray nanasa an’i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ilay Fariso Izy ka nipetraka nihinana. 37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesoa nipetraka nihinana tao an-tranon’ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; 38 ary nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra. 39 Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Asy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io. 40 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô. 41 Nisy roa lahy nananan’ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. 42 Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy indrindra? 43 Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. 44 Ary Jesoa nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro hianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ny volon-dohany. 45 Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao; fa izy, hatr’izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. 46 Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. 47 Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana. 48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. 49 Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? 50 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.LIOKA 7:36-50

JESOA : MANAM-PAHEFANA HAMELA HELOKA BE

Asehon’i Lioka amin’ny alalan’ity tantara ity ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa. Andriamanitra irery ihany tokoa mantsy teo amin’ny Jiosy no mamela heloka. Ary matoa Jesoa mamela heloka dia satria Andriamanitra Izy. Raha nasain’ny fariseo iray Jesoa dia tsy mba nataon’ilay fariseo Taminy akory ny fomba fanao rehetra amin’ny fandraisam-bahiny. Tsy hoe rehefa tsy nataon’ity fariseo dia tsy misy mpanao. Tonga avy any ity vehivavy mpanota, mpanota be araka ny fanoharana nataon’i Jesoa ka nanao izany, ary rehefa vitany izany dia nahazo famelan-keloka sy famonjena izy. Jesoa dia Andriamanitra manam-pahefana

1 – Hamela heloka be (and 48)

« Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao »

Ny fihetsika rehetra nataon-dravehivavy tamin’i Jesoa dia tena fihetsika mendri-piderana avokoa. Nanota be ity vehivavy noho izy ratsy fitondran-tena, ary izao fihetsiny izao dia toy ny fangataham-pamelan-keloka avy amin’i Jesoa. Tsy hita ho niloa-bava na dia kely aza izy, fa ny fihetsiny ihany dia ampy nahazoany famelan-keloka tamin’i Jesoa. Na be toa ny ahoana aza ny helotsika, rehefa tonga eo amin’i Jesoa isika dia mahazo famelan-keloka be mifanandrify tamin’ny helotsika. Isika tonga eo amin’i Jesoa ihany no antoka hahazoana izany famelan-keloka be izany. Rehefa tonga eo amin’i Jesoa koa dia miezaka manao izay mendrika ho an’i Jesoa, fa izany fihetsika izany dia ampy hanomezan’i Jesoa famelan-keloka be. Jesoa irery no manana fahefana afaka mamela heloka na dia lehibe toy ny ahoana aza izany. Handeha hanatona Azy. Izay tonga teo Aminy, araka ny tantara rehetra ao amin’ny filazantsara dia tsy nisy niala maina izany na iza na iza. Handeha mba handray izay anjara sahaza antsika ao Aminy koa isika : famelan-keloka – fitahiana – fahasoavana – fiarovana – sns…

2 – Hamonjy (and 50)

« Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara »

Ny fanatonana an’i Jesoa dia mariky ny finoana Azy. ary izay tonga amin’ny finoana Azy dia hahazo famonjena. Rehefa mahita finoana eo amin’ny olona Jesoa hoy isika dia miasa ka mamonjy avy hatrany. Manetsika an’Andriamanitra hamonjy ny finoana hitany eo amintsika. Izany no hamafisin’izao mofonaina izao, minoa an’i Jesoa Tompo tokoa dia hovonjena isika. Tsy misy famonjena azo antenaina avy amin’Andriamanitra ivelan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Foto-pampianarana matanjaka be ao amin’i Lioka rahateo izany, ary tsy i Lioka ihany fa tena matanjaka be ao amin’ny testamenta vaovao ny finoana hahazoana famonjena. Manatona an’i Jesoa, minoa Azy dia sady hahazo famelan-keloka, afaka amin’izay fahatezeran’Andriamanitra ho avy no hisitraka famonjena ka ho isan’izay handova ny fiainana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.