MOFON’AINA ALATSINAINY 27 JONA 2022

Ry fanjakana ambonin’ny tany, mihirà ho an’Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, 33Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. 34Ekeo ho an’Andriamanitra ny hery; ambonin’ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ny lanitra. 35Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.SALAMO 68:32-35

MENDRIKA NY FIDERANA SY NY FANKALAZANA ANDRIAMANITRA.

1- Mankalazà Azy (and.32)

Tsy dia mahazatra antsika ny fankalazana fa ny fangatahana no tena hiainantsika ankehitriny. Ny fankalazana Azy mantsy dia fiteny sy fihetsika entina mampahafantatra amin’ny olona manodidina rehetra ny asa sy voninahitr’Andriamanitra. Ny fanehoana Azy eo amin’ny fiainantsika isanandro no ahitan’ny olona ny asan’Andriamanitra tamintsika ka indro tanteraka amintsika ny Teny hoe: « Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra » (Zak 8 :23)

2- Ekeo ny heriny (and.34)

Maro ny hery ianteheran’ny olona hanavotra azy fa isika kosa dia asaina hanaiky ny herin’Andriamanitra. Ny fanekenao ny heriny no mahatonga Azy handray andraikitra ny amin’ny famonjena anao. Ny heriny mantsy dia tsy hoe mandresy ny fahavalontsika fotsiny fa hitondrany antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Eny ny heriny no nentiny nandresy ny fahavalontsika ka nahazoantsika ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.