MOFON’AINA ALAROBIA 31 AOGOSITRA 2022

5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa « Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena » (Oha. 3 :34). 6 Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55 :22). 8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izaoI PETERA 5:5-9

IZAY MITANA MAFY NY FINOANA DIA :

1-Misikina fanetrentena

Toetra tokony hampiavaka ny olon’Andriamanitra ny fanetrentena : manetry tena ho ambany noho ny hafa .Tsy miseho ho manambony tena fa mietry ambany dia ambany tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy , na dia Andriamanitra aza Izy dia nietry hatraty amintsika . Ny hoe : misikina dia : mamatotra lamba amin’ny vatan’ny tena, mamatotra lamba fotsy kely na aron’akanjo eo ivelan’ny fitafiana mba hamantarana anao hoe : mpanompo .I Petera dia mampirisika antsika mba hisikina fanetretena, mba hamantarana antsika ho mpino mitana mafy ny finoana an’i Kristy ary hahazoantsika ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanampiany (and 5-7).I Jesoa Kristy koa nisikina lamba famaohana ary nanasa ny tongotr’ireo mpianany (Jao 13 :4-5). Mpanompon’Andriamanitra isika .Mahaiza manetry tena .

2-Tsy hanana ahiahy

Manoro hevitra ny mpino i Petera mba hatoky an’Andriamanitra , tsy hanahinahy foana amin’izay atrehana . Asain’i Petera mifehy tena izy ireo ary ho mailo satria miremby ny fahavalo ( and 8 ) .Tokony hijoro tsara amin’ny finoany , ka tsy hiala an-daharana rehefa manafika ny fahavalo .Tsy irery izy ireo fa ao Andriamanitra miahy azy . Ary tsy mitsahatra miahy ny zava-boahary tsy ankanavaka izy (Sal 104 ; 145). Mazava ny Tenin’i Jesoa raha manntitrantitra Izy fa Andriamanitra no miahy ny voro-manidina sy ny voninkazo eny an-tsaha (Mat 6 :26-30 ; 10 :29) .koa aza manana ahiahy fa tano mafy ny finoana ,miorena tsara , aza miova.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.