MOFON’AINA ZOMA 2 SEPTAMBRA 2022

1 Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. 2 Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin’ny vavan’i Jehovah; 3 Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’andriana eo am-pelatanan’Andriamanitrao. 4 Ianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina. 5 Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny no hifalian’Andriamanitrao aminao.ISAIA 62 :1-5

Rehefa dinihana tsara ity Isaia 62 ity dia ho hita fa naverin’ny mpanoratra ato amin’ny ankapobeny ny zavatra efa nolazainy sy nanirahan’ny Tompo azy ao amin’ny toko faha-61 sy 62. Natao izany satria misy zavatra tiany hiraikitra tsara mihitsy ao an-tsain’ny olona. Diso hevitra mantsy ny olona satria lasa mandray an-tendrony fotsiny tamin’izay nataon’Andriamanitra izy ireo .Koa indro Izy manao izany famerenan-teny izany, izay azo antoka fa hahasoa ny olona. Nahavita nanome tsiny Azy mantsy ny olona noho ny fiheverany fa tsy mety miditra an-tsehatra mihitsy mamaha olana, na koa mijery fotsiny zava-tsarotra mihatra aminy ny Tompo. Hasehon’ny Tompo kosa anefa eto amin’ny alalan’ny mpaminany Isaia fa :

1-Handroso tokoa ny voninahitr’ i Jerosalema (and 1-3)

Voalaza eto hoe : « tsy hangina Aho akory fa hihetsika mba hanasoa an’i Ziona » ary ny hoe: « tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema dia izao tsy ho tafatoetra amin’izao fotsiny Aho, tsy ho tafandry mihitsy raha tsy tonga amin’izany mahatsara azy i Jerosalema ». Araka izany, tena mihevitra izay hahasoa sy hampandroso ny olona Andriamanitra fa tsy araka ny fahadisoan-kevitra sy fitsaran’olona fotsiny.

2-Hiverina ny fifandraisam-pifankatiavana (and 4-5)

Izao ny teny eto : « tsy nafoy », izany hoe tsy nariana, tsy noraharahaina intsony ianao ary ny taninao tsy ho lao (tany efitra tsy azo ampiasaina) fa atao hoe : vady ampakarina kosa. Averina ilay fifandraisana lalina sy tanteraka eo amin’ny olona sy Andriamanitra toy ny lehilahy mpampakatra vady ka fatoran’ny fifankatiavana sy ny fiheverana ny fiainan-ko avy ho tanteraka.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.