MOFON’AINA ALAROBIA 4 MAY 2022

19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. 22 Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.JAONA 4:19-24

NY TENA FIVAVAHANA MARINA

1-Tsy voafetra ho amin’ny toerana tokana

Nandritra ny fotoana ela no ninoan’ny Jiosy fa misy ny toerana voatokana hivavahana sy hihaonana amin’Andriamanitra. Anisan’ny nalaza tamin’izany ny Tempoly sy ny tendrombohitra masina .Ny Jiosy dia nino fa any an-tendrombohitra Ziona, any Jodia no tokony hivavahana Aminy. Ny Samaritana koa dia nihevitra fa any an-tendrombohitra Gerizima any Samaria no tokony hivavahana sy hihonana amin’Andriamanitra.Ambaran’i Jesoa fa tsy ny toerana ivavahana no zava-dehibe fa ny fomba sy ny toe-panahy entina manatanteraka azy .Hoy i Jesoa : « … fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema aza no ivavahanareo amin’ny Ray … » (and 21). Na aiza na aiza no iantsoana Azy dia manatrika antsika feno Andriamanitra.

2-Vavaka atao amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina

« Andriamanitra dia Fanahy , ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana » (and 24).Ny tena mpivavaka marina dia izay manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fivavahana izay ataony , ka mifantoka tanteraka amin’ny fankalazana an’ Andriamanitra am-panahy sy araka ny fahamarinana , izany hoe: amin’ny fahatsoram-po .Matetika ny fombafombam-pivavahana no hanadinoan’ny olona ny tena vontoatiny , dia ny finoana ny fanatrehan’Andriamanitra .Ny olona tena mivavaka dia tsy maintsy mino ny fanatrehany .Ny olona tena mivavaka dia tsy maintsy mino ny fanatrehany , raha vao miantso Azy ary izany finoana izany no mitarika azy ho amin’ny fabomezamboninahitra sy ny fanajana Azy . « Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mamaly soa izay mazoto mitady Azy… » (Heb 11 :6)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ;