MOFON’AINA ALATSINAINY 2 MAY 2022

1Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra, 2ary fampianarana ny amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. 3Ary izany no hataontsika, raha avelan’Andriamanitra. 4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina 5ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, 6nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.HEBREO 6:1-6

« AOKA HO MATOTRA ARA-PANAHY »

Mampahery ny mpino ny mpanoratra ny Hebreo mba hitomboany amin’ny fahalalana bebe kokoa an’iJesoa Kristy , Zanak’Andriamanitra . Ireto no toromarika omeny amin’izany .

1- Ilaozy ny abidiam-pianarana ny ami’i Kristy (and 1a)

Raha vao hanomboka hianatra ny zaza dia ampianarina zavatra tsotra. Ny olona vao niova ho kristiana dia mila fampianarana tsotra sy mora raisina .Oharina amin’ny zazabodo izy ireny ka tsy mihinana afa-tsy ronono ihany aloha , fa tsy mbola mahazaka venti-kanina . Ny zaza dia tsy mbola mahay manavaka ny sakafo tsara sy ratsy , fa izay ahafahana azy dia haniny avokoa .Ny kristiana Hebreo kosa , na dia efa ela ihany aza no nandraisana ny Filazantsara dia mbola mitoetra ho toy ny zaza vao hiditra mianatra ihany ny sasany fa tsy nety hitombo. Tena ilaina ny famakiana sy fandalinana ny Soratra Masina ,hitomboana amin’ny finoana an’i Kristy sady ho fiarovana amin’ny fampianaran-diso.

2-Aoka tsy hanao fanorenana indray (and 1b)

Tsy maintsy misy fanorenana aloha , izay vao aorina ny trano eo amboniny .Ny olona efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy no efa nahavita fanorenana ka tokony hiroso amin’ny fahamatorana ara-pinoana .Ny tena kristiana marina dia tsy maintsy ho efa nampianarina sy niaina ireto dingana ireto ary tsy mandray fampianarana hafa mifanohitra amin’izany .Ireto avy izany : fibebahana amin’ny « asa maty » na asa misy fahotana ka tokony ialana sy ivalozana .Ny finoana ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny batisa ka tsy hiverina hatao batisa indray ,ny maha-zava-dehibe ny Fanasan’ny Tompo , ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fitsaran’Andriamanitra ary ny fiainana mandakizay .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.