MOFON’AINA ALATSINAINY 03 SEPTAMBRA 2018

11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin’ ny lohan’ ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.12 Ary rehefa niangona izy mbamin’ ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;14 ary raha misy milaza izany amin’ ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ ny Jiosy mandraka andro-any.
MATIO 28 : 11-15

Efa maty  ary nitsangana tamin’ny maty ny Tompo Jesoa, hany ka very hevitra tanteraka ireo mpanohitra, sy mpanaratsy satria anjely mihitsy no nilaza sy nanambara ny zava-misy ary tsy maintsy nanao tatitra tany amin’ny lohan’ny mpisorona. Ireto farany kosa anefa dia nanao kolikoly ka

1-Aza mampanota  ny hafa  (and 11-13)

Rehefa tratra fa mpandainga sy diso ireto lohandohan’ny Mpisorona ireto rehefa nilaza fa mpisandoka sy mpisoloky ary mpandainga i Jesoa, ary tsy hitsangana mandrakizay amin’ny maty izany iny, dia very hevitra izy ireo, rehefa tonga ny tatitra. Ny hitany ho vaha-olana dia ny mandainga, ka tsy ny tenin’izy ireo ihany no latsaka tao anatin’izany fandrika izany fa nomeny volabe koa ny miaramila, mba hiaraka manota amin’izy ireo .Koa ialao lavitra ny fahotana, tsy ny an’ny tenanao ihany, fa ny hitarika ny maro amin’izany koa dia ialao.

2- Aza mety ho fitaovana ampiasain’ny ratsy hamitaka ny namana (and 14)

Ny matory am-perinasa dia heloka bevava ho an’ny mpiambina. Izay mpiambina manao tsirambina ny asany toy izany dia mety ho voaheloka ho faty (Asa 12 :19). Raha nilaza ireo miaramila Romana fa resin-tory raha niambina ny fasana, dia loza mahatsiravina no ho nanaovan’ny Lehibeny (Pilato) azy ireo. Izany dia manazava ny antony nankanesan’ireo miaramila voalohany tany amin’ny lohan’ny mpisorona Jiosy. Nampanantena ireo loholona Jiosy ireo fa hiaro azy ireo raha ren’i Pilato ny zava-nitranga. Fampanantenana diso petraka sy feno fitaka anefa izany satria tsy dia afaka hanao zavatra hiarovana ny miaramila Romana ny Jiosy.

3-Aza mety ho fitahin’ny fampianaran-diso (and.15)

Noho ny vola natolotra ireo miaramila anefa, dia nivonona ny hiharan’ny sazy izy ireo. Noho izany, lasa nandeha izy ireo nanely tsaho hoe resin-tory raha niambina, ka tonga ny mpianatr’i Jesoa nangalatra ny fatiny. Olona maro no nino izay notantarainy. Na dia tamin’ny fotoana nanoratan’i Matio ny Filazantsarany aza dia mbola nino izany ihany izy ireny. Eny fa na dia mandraka ankehitriny aza  dia maro tokoa ireo izay milaza fa tsy nitsangana tamin’ny maty izany Jesoa, nalain’ny mpianany tao am-pasana ny fatiny.

Hafatra ampitaina:

Koa aza mety ho isan’izay handiso ny tantara sy manolana ny Soratra Masina, fa lazao ny marina, satria Kristy dia fahamarinana (Jao 14 :6)