MOFON’AINA TALATA 04 SEPTAMBRA 2018

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:2 Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.3 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ ity tany ity ianareo.4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’ i Jehovah, tempolin’ i Jehovah, Tempolin’ i Jehovah ity.5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ olona amin’ ny namany hianareo,6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,7 Dia hamponeniko amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin’ ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ ny ela ka ho mandrakizay.
JEREMIA 7: 1-7

Vanimpotoana sarotra dia sarotra teo amin’ny fiainampirenena no naminanian’i Jeremia mpaminany satria feno haratsiana ny fiainan’ny Zanak’Israely, ka nanao ratsy avokoa manomboka any amin’ny vahoaka entina, ny mpitsara ny mpitondra fanjakana, ary indrisy hatramin’ireo mpaminany sy mpisorona ary mpitondra fivavahana koa aza dia mba tratran’izany:

1- Ataovy  tsara ny aleha (and 1-3)

 Mazava sy tsotra ary mahitsy ny Tenin’i Jehovah eto: « ataovy tsara ny alehanareo dia hamponeniko amin’ny tany ianareo ». Saingy indrisy fa tsy nisy mpanaraka ny tenin’i Jeremia fa ny tenin’ireo mpaminany sandoka sy mpitondra fivavahana mpandray kolikoly no narahiny ka rava ny Tempoly, ary nodorana ny tanànan’I Jerosalema ny taona 586 talohan’I Jesoa Kristy, ka lasa Babo tany Babylona ny ankamaroan’ny olona.

2-Aza mitokitoky foana  (and 4-7)

 Nitokitoky foana tokoa ireto Zanak’Israely ireto satria ny tao an-tsainy dia ny hoe: raha mbola eo ny Tempolin’i Jehovah izay masina ka na dia  mijangajanga aza  izy ireo na mangalatra na manompo sampy na mandoto ny vadin’ny namany na manao kolikoly dia tsy misy olana, satria io ny Tempoly. Ary izany fisainana izany dia mpahazo na  dia ny Kristiana ankehitriny aza : manao kolikoly any am-piasana izy, ka ny fitaovana sy ny vola azo any dia entina hanaovana asam-piangonana. Izany dia fanaovana ny Fiangonana ho zohy fieren’ny jiolahy, hanafenana ny ratsy.

Fampieritreretana : « Hoy Izy taminy : Efa voasoratra hoe : Ny tranoko hatao hoe : trano fivavahana, fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy » (Matio 21 :13)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !