MOFON’AINA ALATSINAINY 13 DESAMBRA 2021

1 Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.2Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? 3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho. 4 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina. 5 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an’i Jehovah.6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ny tavanao, Jehovah ô. 7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony. 8 Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
SALAMO 4 :1-8

NY MPINO MANDRAY FIFALIANA

Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpanao Salamo. Nitaraina, niantso fiainam- pitahiana tamin’Andriamanitra izy.

1-Mangataka famonjena avy amin’Andriamanitra

Manoloana ny toe-javatra sarotra atrehany, noho ny tsy fisian’ny fahamarinana dia miantso an’Andriamanitra hamaly azy ny mpanompony .Mino izy fa marina Andriamanitra. Koa rehefa mivavaka, mangataka famonjena Aminy izy dia hahazo valimbavaka tokoa. Mino izy fa fa haneho ny famindrampony aminy Andriamanitra ka ho afaka amin’ny fahoriana mamatotra azy izy. Hamonjy azy Andriamanitra ka hisolo fifaliana ny fahoriana. Hoy ny and 8 : «  Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria hianao Jehovah ô no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy  »

2-Miantso ny olona hiverina amin’Andriamanitra

Nandeha tamin’ny tsy fahamarinana ny fahavalony. Tsy mba toy izany ny fitondrany ny fiainany. Tia an’Andriamanitra izy ka nandeha tamin’ny fahamarinany. Matoky izy fa tsy mitovy ny fitondran’Andriamanitra ny olona marina sy ny tsy marina. Ao amin’Andriamanitra no misy ny fiainam-pahasoavana ho an’ny olona manao ny marina (and 7). Manoloana izany no hanaovany antso ho an’ny olona mba hiverina amin’Andriamanitra, manao ny marina ihany no afaka miaina sy mahita ny fifaliana. Ao amin’Andriamanitra irery ihany no ahitana ny fifaliana. Koa mitaona antsika hametraka ny fiainana Aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra