MOFON’AINA TALATA 14 DESAMBRA 2021

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao. 15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana. 16 Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. 17 Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao. 18 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ny olonao mandrakizay izany fikasan’ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony; 19 ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.20 Ary hoy Davida tamin’ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah sy ny mpanjaka.21 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah nony ampitson’iny, dia vantotr’ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Isiraely rehetra. 22 Ary nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’i Jehovah ny olona tamin’izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
1 TANTARA 29 :14-22

NY FIFALIAN’NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

Fisaorana an’ Andriamanitra nataon’i Davida mpanjaka sy ny nanosorana an’i Solomona ho mpanjaka handimby azy

1-Mino fa an’Andriamanitra ny zavatra rehetra .

Nanao fiderana an’Andriamanitra i Davida mpanjaka tao anatin’ny fotoana izay hifaranan’ny asa fanompoana naha-mpanjaka azy ka nanosorana an’i Solomona zanany ho mpanjaka handimby azy. Tamin’izany fisaorana an’Andriamanitra nataon’i Davida izany no nanehoany fa Andriamanitra no nitondra ny fiainany. Tsinotsinona izy manoloana ny asan’Andriamanitra. An’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Izy no nanome izany ho an’i Davida. Koa raha nanolotra ho amin’ny fanorenana ny Tempoly izy dia nanolotra izany amin’ny fifaliana noho ny finoany Azy .

2-Manokana ny fiainany ho an’Andriamanitra

Fanirian’i Davida mba hanokana ny fiainana manontolo ho an’Andriamanitra ny olona . Toy izany koa i Solomona zanany ho mpanjakan’Israely. Hoy ny vavaka nataony : « …mba ampahareto ao am-pon’ny olonao mandrakizay izany fikasan’ny sainy izany , ka ampiomany ho anao ny fony , ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao… » . Ny olona manokana ny fiainany ho an’Andriamanitra, maharitra amin’ny fanompoana, miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra dia manana ny fifaliana amin’ny fanompoana Azy. Atokano ho an’Andriamanitra ny fiainana dia hahazo fifaliana amin’ny asa fanompoana azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.