MOFON’AINA ALATSINAINY 13 JONA 2022

5Ary Josafata nitsangana teo amin’ny fiangonan’ny Joda sy Jerosalema, Tao amin’ny tranon’i Jehovah, teo anoloan’ny kianja vaovao, 6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Ianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Ianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao. 7Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao? 8Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an’ny anaranao sady nanao hoe: 9Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy.2 TANTARA 20:5-9

ESORY NY TAHOTRA SY NY AHIAHY

1- Fa manana fahefana amin’ny Jentilisa ny Tompo (and. 6)

Nisy fiheverana nampidirina tao amin’ireo taranak’i Abrahama rehetra na ny tao avaratra na ny tao atsimo fa Jehovah dia Andriamanitry ny efitra ihany. Nisy ihany koa nihevitra fa ny vahoaka masina, izany hoe izy ireo ihany, no azon’i Jehovah tapahina ka ananany fahefana. Diso be anefa izany ! Manjaka amin’ny tany rehetra Jehovah ary manapaka ny jentilisa ihany koa. Josafata mpanjakan’i Joda teto dia niantso vonjy tamin’i Jehovah tao an-tranon’Andriamanitra anatin’ny fifadian-kanina fa misy firenena vitsy mitambatra hiady amin’ny firenen’i Joda. Natahotra izy ka notsarovany tao anaty vavaka fa manana fahefana amin’ny jentilisa Jehovah. Eny tokoa, Izy no mifehy izao tontolo izao. Satana dia manjakazaka fotsiny fa tsy manana fahefana. An’i Jesoa irery ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany (Matio 28:18)

2- Fa mitàna ny fanekeny hatrany ny Tompo (and.9)

Ao an-tranon’i Jehovah izy ireo no mivavaka miantso vonjy Aminy amin’ny andro fahoriana. Tojo fahorian-tsaina àry Josafata eto ka mahatsiaro ny fanekena izay efa nataon’i Jehovah tamin’i Solomona (2 Tan. 7:15). Azony antoka tokoa fa hitazona mandrakariva ny fanekeny Jehovah ka izay no antony niantsoany Azy. Tsy mivadika amin’ny fanekeny ny Tompo ka azo itokisana tsara. Aza manan-tahotra sy ahiahy fa manana fahefana hihaino ny vavaka ataontsika Izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.