MOFON’AINA TALATA 14 JONA 2022

23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesoa ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? 24Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: 25Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo? 26Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona. 27Dia namaly an’i Jesoa izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.MATIO 21:23-27

NY FAHEFAN’I JESOA KRISTY

1- Dia tsy avy amin’ny olon-kafa (and 24)

Hitantsika avy amin’io andininy io fa tsy namaly mivantana ny fanontanian’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona i Jesoa. Tokony hisy valiny tsara mihitsy ny fanontanian’ireo manam-pahefana ara-pivavahana izany hoe : mpikolokolo ny resaka am-panahy kanefa hanjakan’ny fialonana tanteraka satria tsy manam-pitiavana. Tamin’izany fotoana izany ny olona malaza manao famantarana tahaka izao ataon’i Jesoa izao dia fantatry ny maro amin’ny fianarana norantoviny. Ny anaran’olona malaza entiny, ny fironany ary ny firenena matanjaka manohana azy. Velona araka izany ny fialonany an’i Jesoa kanefa tsy fantany fa ny fahefan’i Jesoa dia tsy avy amin’izany rehetra izany, satria izany dia olombelona ihany. Hafa mihitsy Jesoa. Ry havana, mpiandraikitra ny ara-panahy ve isika ? Aoka hitandrina sao manahaka ireto lohan’ny mpisorona sy loholona ireto ka manohitra an’i Jesoa ilay Mpamonjy ny fanahy.

2- Fa avy amin’ny maha Andriamanitra Azy

Dia hoy i Jesoa taminy : « Izaho kosa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako izany ». Tsy mamaly ratsy ny ratsy akory Jesoa fa raha namaly izy hoe : avy amin’Andriamanitra ny fahefako dia lazain’ireo fa miteny ratsy na manao blasfemia izy. Raha mamaly koa Jesoa hoe : avy Aminy ihany dia tsy eken’ny olona izany satria ny Fariseo no tena manana fahefana tamin’izy ireo tamin’izany. Ny fahefan’i Jesoa dia avy amin’Andriamanitra ary indrindra amin’ny maha Andriamanitra Azy. Fahefana tsy miova, azo ianteherana tokoa ! Matokia Azy !

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.