MOFON’AINA ALATSINAINY 14 MARTSA 2022

18 Ary nampahafantarin’i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin’izany dia nasehonao ahy ny fanaony. 19 Fa izaho dia tahaka ny zanak’ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany. 20 Nefa, ry Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. 21 Koa izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah, fandrao matin’ny tananay ianao, 22 izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary; 23 Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin’ny mponina ao Anatota Aho amin’ny taona hamaliana azy.JEREMIA 11:18-23

NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

1-Dia mety asian’olona ratsy (and 18-19)

« …Ary fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy .Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ny voany, ary hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy ». Ireo olona nitady haningotra ny ainy ireo dia tsy iza fa ireo fianakaviany sy ny mpiara-monina taminy tao Anatota ka Jehovah no nahafantatra azy izany. Ny anton’izany dia noho ny fijoroany hilaza ny hafatra mazava avy amin’i Jehovah ami’ny maha-mpaminany azy. Marina ny ambaran’ny Soratra Masina hoe: « ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony » (Mika 7 :6) sy ny hoe : « Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany » (Mat 13 :57). Ho antsika mpanompon’Andriamanira, efa nihatra tamin’ireo teo alohantsika izany fa aoka hatoky Azy hatrany isika.

2-Mahatonga ny fiandanian’Andriamanitra

« Indro hovaliako izy ka ny zatovo ho fatin-tsabatra ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary » .Izany hoe: ho fatin-sabatra tanora avokoa ireo ary ho mahantran’ny tsy fisian-kanina ny zanany .Miandany amin’ny mpanompony mandrakariva Andriamanitra. Famaizana mangidy izany, kanefa izany no ho tonga amin’izay mifofo mpanompon’Andriamanitra raha mba mijoro amin’ny hanirahana azy izy .Mazana dia misedra ny fifofoana sy ankolaka toy izany ireo mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, vaovao mahafaly ny mahafantatra izao ataon’Andriamanitra izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.