MOFON’AINA TALATA 15 MARTSA 2022

9 Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; 10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; 11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. 12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14 : 1-3). 13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5 : 9); Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony (Sal. 140 : 3); 14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10 : 7); 15 Ny tongony mimaona handatsa-drà; 16 Fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany; 17 Ary ny lalan’ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59 : 7, 8); 18 Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony (Sal. 36 : 1). 19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao, 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota.ROMANA 3:9-20

NY FANAMARINAN’ANDRIAMANITRA

1- Dia tsy avy amin’ny firazanana(and 9)

« Ahoana àry? Manan-kavaly va isika? Tsia, tsy akory fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny Jentilisa ». Nanana fiheverana ireo Jiosy fa tsy mba mpanota fa ny Jentilisa no tena izy amin’izany. Izy ireo moa dia manana fomba filaza ny olona sasany toy ny mpamory hetra sy ny mpijangajanga sy ny sisa hoe: mpanota mihitsy.Tsy fantany fa efa mitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’ny fangejan’ny ota fa tsy mifidy izany hoe: « Jiosy » na Jentilisa » izany. Izay tsy miambina dia voagejany, ary ny mpanamari-tena mihitsy aza no mampatahotra sao tsy ho voavonjy .Hoy Jesoa hoe : « Tsy ho avy hiantso ny marina aho fa ny mpanota mba hibebaka » (Lio 5 :32)

2-Dia tsy avy amin’ny fanamarinan’ny lalàna

« satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany » (and 20). Ny lalàna eto dia ny fitandremana ara-bakiteny be izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy ka notandreman’ireo Jiosy tamin’ny fomba mivaona. Ny fototry ny lalàna dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Efa tsy niseho tamin’ny endrika tsy fitiavana intsony anefa ny fitandreman’izy ireo ny lalàna, satria nanjary nangeja sy nampijaly olona indray izany, hany ka tsy nipetraka intsony ny fototra iorenan’ny lalàna dia ny fitiavana.Noho izany, izay olona manam-pitiavana an’Andriamanitra, ka mitandrina sy mankato ny didiny izay tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy no hamarinina ka voavonjy, fa tsy izay mitandrina ny lalàna intsony .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.