MOFON’AINA ALATSINAINY 17 JANOARY 2022


1 Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, 2 amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6 iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra. 7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra. 8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ny olona (Sal. 68 : 18). 9 (Ary ny amin’ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ny tany koa? 10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)

EFESIANA 4:1–10

NY OLONA MIAINA NY FIANTSOAN’ANDRIAMANITRA

1- Miombona nohon’ny asan’ny Fanahy

« mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pivavahana » (and 3)

Fanamby ho fanoherana ny fampianaran-diso nataon’ny mpampianatra sandoka sy ny Jiosy nampizarazara ny Fiangonana no hita eto. Efa nampiombonan’ny Fanahy Masina ho tena iray ny mpino Kristiana ka tsy tokony hizarazara instony. Adidin’ny Kristiana tsirairay ny mihazona izany fiombonana sy firaisana avy amin’ny Fanahy izany . Marihana tsara anefa, tsy misy fiombonana milamina sy mitohy raha tsy manaiky hiasan’ny Fanahy Masina ny mpino. Manjaka ny fiombonana sy ny firaisan-tsaina eo amin’ny samy mpino Kristiana manaiky hiasan’ny Fanahy Masina . Ary ny fiombonana Kristiana no vavaka nataon’i Jesoa .

2- Manompo amin’ny fahasoavana noraisiny

« Samy nomena fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’I Kisty avy isika rehetra » (and. 7 )

Samy efa nandray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina ny mpino rehetra. Tsy mahasoa anefa izany raha entina mirehareha , variana mampitaha izany amin’ny an’ny hafa ka mihevitra ny fanomezam-pahasoavana anany ho kely . Ny tanjon’ny fanomezam-pahasoavana samihafa , dia fiombonana amin’ny fanompoana. Jesoa Kristy no fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona mpanota. Ka ny maha Izy Azy dia fanomezana avy amin’ny Fanahy ary ny fanompoany dia vokatry ny Fanahy nozaraina tamintsika mpianany mba ho fampandrosoana ny filazantsara ao anaty fiombonana sy fiaraha-miasa amin’ny Fanahy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.