MOFON’AINA ALAROBIA 19 JANOARY 2022

52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Ianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. 53 Moa Ianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao? 54 Jesoa namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy. 55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny. 56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Ianao, ka dia efa nahita an’i Abrahama va? 58 Hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. 59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesoa niery ka niala teo an-kianjan’ny tempolyJAONA 8:52-59

JESOA KRISTY AO AMIN’ANDRIAMANITRA

1-Tsy azon’ny olona ny tiany ambara

« Fa hoy ny Jiosy taminy : fantatray ankehitriny fa manana demonia ianao » (and 52).

Raha nilaza ny fifandraisana misy eo aminy sy Andriamanitra i Jesoa Kristy, indrindra tamin’ny filazany fa avy amin’Andriamanitra Izy dia nolazain’ny jiosy fa manana demonia. Nanamafy ny fanazavany i Jesoa Kristy ka nilaza fa mankalaza Azy ny Ray ary faly amin’ny ataony .Nampitombo ny fahatezeran’ny Jiosy izany ka nahatonga azy ireo nitora-bato Azy .Rehefa tsy mety azon’ny olona ny maha- ao amin’ny Ray an’i Jesoa Kristy sy ny teny izay lazainy, dia ho tezitra sy ho hankahala ary hamono an’i Jesoa Kristy mihitsy izany olona izany . Fantaro amin’ny alalan’ny teniny ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray.

2- Manambara fiainana mandrakizay

« Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay » (and 52)

Fanambarana nataon’i Jesoa Kristy izany entiny maneho amin’ny olona ny dingana telo momba ny fahafaresana ara-panahy dia ny fahatapahan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ny fahafatesana ara-batana dia ny fisarahana amin’izao planeta misy antsika izao, ary ny fahafatesana mandrakizay dia ny fahafatesana faharoa.Tsy izany anefa no tanjon’Andriamanitra amin’ny olombelona fa fiombonana mandrakizay amin’Andriamanitra. Rehefa tsy miala amin’ny finoana ny tenin’i Jesoa Kristy ny olona dia tsy tafasaraka amin’Andriamanitra mandrakizay, na dia mandalo fahafatesana amin’ny nofo aza, satria efa mpandova ny fiainana mandrakizay .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.