Mofon’aina – ALATSINAINY 18 DESAMBRA 2017

9 Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako ianareo.10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.14 Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo.16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.
JAONA 15 :9-16

TIA ANTSIKA  JESOA

1-Tahaka  ny nitiavan’ny Ray  Azy (and 9)

Isika olombelona  dia mahalala  tsara   izany   atao hoe: fitiavan-janaka izany  . Foin’ny ray aman-dreny  ho an’ny zanany  avokoa  izay rehetra  ilainy   ka mahasoa  azy  , ary na  dia maditra  aza izy ireny   dia hoy  ny fiteny : » Ny zanaka  no mahafoy  ray aman-dreny  , fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka … ». Tsy takatry  ny saintsika  fa ambony  lavitra  noho  izany  ny fitiavan’ Andriamanitra .Tsy  misy   fitiavana  ambony   sy mahery  tahaka  ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany lahitokana  . Toy izany fitiavana izany  no itiavan’i Jesoa antsika  .Tia antsika i Jesoa na dia tsy mahate- ho tia aza isika noho ny fahotana vitantsika , nahafoy ny ainy ho antsika Izy mba hahatonga  antsika ho tena zanak’ Andriamanitra  tokoa  ka  ho mpiara-mandova Aminy  ao amin’ny fanjakan’ny lanitra .

2-Nandray antsika  ho sakaiza Izy (and 14,15)

« tsy hataoko  hoe mpanompo  intsony ianareo  , fa ny   mpanompo  tsy mahalala  izay  ataon’ny tompony , fa efa  nataoko hoe: sakaiza  ianareo , satria  izay rehetra reko  tamin’ny Raiko  no nambarako  taminareo » (and 15). Efa  nambaran’ny Tompo antsika avokoa ny aoa am-pony. Izany no fitiavana tonga lafatra  izay anjaran’ny sakaizan’i Jesoa. Raha mifankatia isika, dia tonga mpianatry  ny Tompo tokoa ary tena sakaizan’i Jesoa Izy, izay  nifidy antsika kosa dia hanome  antsika izay rehetra angatahintsika amin’ny Ray  na inona na inona.

Fanontaniana: 

Manjaka ao  amin’ny fiainan’ny samy kristiana tokoa ve ny fifankatiavana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !