MOFON’AINA ALATSINAINY 18 OKTOBRA 2021

12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.16 Mifalia mandrakariva.17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.18 Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesoa ho anareo.
1 TESALONIANA 5 : 12-18

Mananatra ny kristiana i Paoly eto raha mamarana ity Epistily ity mba :

1-Ho tsara fihavanana amin’ny mpitondra (and 13)

Amporisihan’i Paoly ny kristiana eto mba hahay hanaja ny mpanompon’Andriamanitra, izay napetraka hitarika ny fiangonana. Hoy indrindra izy hoe : « Mihavana tsara ». Raha tsorina dia ampianarin’i Paoly eto fa tsy fanao ary tsy tokony ho hita akory ao amin’ny fiangonana ny kristiana miady amin’ny Mpitandrina na sanatria maniratsira azy ireny, raha misy izay tokony hifanitsiana dia am-pitiavana sy fanajana no hifampiresahana.

2-Ho tsara fihavanana amin’ny rehetra (and 14,15)

Mihasikasina eto mihitsy ny fihavanana ka hananaran’i Paoly ny mpino mba tsy ho mpitazam-potsiny ny namany mivily làlana fa hanitsy tsy misorona, hampahery izay kivy kanefa izany rehetra izany dia atao mandrakariva ao anatin’ny fihavanana fa tsy sanatria ho loharanom-pandrafiana. Fanehoam-pitiava-namana rahateo izany dia araka izay nolazain’i Jesoa hoe : « Tiava ny namanao  », fa ny olona rehetra no voalaza eto, izany hoe : tsy ny namana ihany fa na izay fahavalo koa aza, dia hoy i Jesoa hoe : « Tiava ny fahavalonareo » (Lio 6 :35).

3-Ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra (and 16-18)

Ambaran’i Paoly eto fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny fahaizana mankasitraka Azy « amin’ny zavatra rehetra », izany hoe : na dia làlan-tsarotra aza indraindray no hitondran’Andriamanitra dia mifaly, mivavaka ary misaotra Azy hatrany no andrasana amin’ny mino fa tsy ny fanomezan-tsiny sanatria. Modely ho antsika amin’izany i Jesoa (Mat 26 :42).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.