MOFON’AINA TALATA 19 OKTOBRA 2021

18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin’ ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman’ osy;20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
EKSODOSY 34 : 18 – 20

Nasain’Andriamanitra nanao vato fisaka roa vaovao i Mosesy ho solon’ilay efa vaky teo aloha (and 1 ), maneho izany fa vonona hanavao ny fanekeny Andriamanitra sady mampanantena fa hanao zava-mahagaga ( and 10 ). Andrasan’Andriamanitra amin’ny olona kosa eto ny :

1 – Tsy hanadino ny famonjen’Andriamanitra (and 18)

«  Tandremo ny andro firavoravoana »: Tiana havoitra amin’izany fa zava-dehibe ny nataon’Andriamanitra, io no midika fa tsy mahavonjy tena ny olona fa Andriamanitra ihany no manatanteraka ny fanavotana azy. Misy fotoana voalaza eto hoe « volana abiba », ( eo anelanelan’ny Martsa sy Aprily eo amin’ny fanisana andro ampiasaintsika ) ny dikany dia hoe aoka hisy fotoana voatokana mihitsy hahatsiarovana fa nanavotra ny olona Andriamanitra.

2 – Hanome ny sarobidy ho an’Andriamanitra ( and 19 )

« Ny voalohan-karena rehetra no Ahy » hoy ny Tompo eto. Amin’ny fisainana tranainy, ny hevitry ny hoe : voalohan-teraka dia hoe sarobidy indrindra, tsy amin’ny olona ihany fa na dia amin’ny biby fiompy ihany koa aza. Ny takian’Andriamanitra izany eto dia hoe rehefa mahatsiaro ny famonjeny dia aoka hahatsiaro an’Andriamanitra mpamonjy amin’ny fanolorana izay sarobidy indrindra ho Azy. Ary rehefa mahafoy ho an’Andriamanitra ihany dia izay farany tsara no aoka hatolotra satria izany no marika maneho fanoloron-tena. Ary Izy Tompo no modely amin’ny fanolorona ny tsara indrindra satria zanany lahitokana no nomeny hahatanteraka ny famonjena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.