1 Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely. Ary tamin’ izany andro izany efa nahàlana ny tenin’ i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.2 Ary tamin’ izany andro izany, raha nandry tao amin’ ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),3 sady tsy mbola maty ny jiron’ Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, izay nisy ny fiaran’ Andriamanitra,4 dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.5 Dia nihazakazaka nankeo amin’ i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.6 Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.7 Ary Samoela tsy mbola nahalala an’ i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’ i Jehovah izy.8 Ary Jehovah niantso an’ i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr’ i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.9 Ary hoy Ely tamin’ i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin’ ny fandriany.10 Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.11 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.12 Amin’ izany andro izany dia hotanterahiko amin’ i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.13 Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ ny tenany, nefa tsy nosakanany.14 Koa izany no nianianako ny amin’ ny taranak’ i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
1 SAMOELA 3 :1-14NY OLONA ITENENAN’ANDRIAMANITRA
1-Miombom-piainana Aminy
Noho ny fahotan’ny zanak’i Ely dia nahalana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahitan’ Andriamanitra ny toe panahy nananan’i Samoela dia indro miverina miteny amin’ny olony indray Izy. Na dia mbola zaza aza i Samoela dia efa nanatanteraka ny asa fanompoana tao amin’ny Tempoly. Natokany ho an’ Andriamanitra ny androm-piainany manontolo satria na dia amin’ny alina aza dia tao amin’ny Tempoly izy no natory ary navelany hirehitra ny jiron’ny Tempoly mba hazava izany toerana izany . Tsarovy fa raha manaiky hiombom-piainana mandrakariva amin’ Andriamanitra isika, mitoetra amin’ny fiainan’ny zanaky ny mazava dia handray ny Tenim-pahasoavany.
2-Maneho ny fahavononana hihaino
Nandre feon’olona niantso azy i Samoela. Na dia alina aza ny andro tsy namono sofina izy fa feno fahavononana hihaino izay miantso azy. Noheveriny fa i Ely no miantso ka nihazakazaka nanatona azy izy. Rehefa niverina intelo ilay antso , dia fantar’i Ely fa Andriamanitra no miantso , te-hilaza hafatra amin’ity zaza , ka nomeny toro-marika ny amin’ny hoe: « mitenena fa mihaino ny mpanomponao ». Ny fanehoam-pahavononana nasehon’i Samoela hihaino izay miantso azy no nahafahany nandray tokoa ny hafatr’ Andriamanitra. Raha manana fahavononana hihaino izay miantso antsika isika dia hahafantatra hatrany ny fikasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.
Fanontaniana :
Nahoana no misy olona tonga any am-piangonana kanefa tsy mihaino ny Tenin’ Andriamanitra fa varian-dresaka ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !