MOFON’AINA ALATSINAINY 21 FEBROARY 2022

19Ary Jesoa nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo? 20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. 21Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ny tany. 22Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo. 23Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.JAONA 16:19-24

Tsy azon’ny mpianany izay tian’i Jesoa ambara amin’ny hoe : « vetivety foana dia hahita Ahy ianareo ary vetivety foana dia hahita Ahy ianareo », ka nanomboka nifanontany izy ireo .Fantatr’ireo tsara ny baraingo tao amin’izy ireo, ary izany no mahafinaritra amin’io Jesoa io satria :

1-Ny Teniny tsy avelany hanjavozavo (and 19,20)

Hazavain’i Jesoa àry eto fa ny tiany ambara dia ny tsy maintsy handalovany ny làlan’ny hazo fijaliana, ny hiaretany ny mafy indrindra hatramin’ny fahafatesana, satria hataon’ny fahavalony amin’ny fomba rehetra izay hamonoana Azy .Halahelo ny mpianany noho izany, hirotsaka ny ranomasony , kanefa tsy eo ny teboka farany.

2-Ny mino Azy tsy avelany ho kivy (and 21,22)

Sary an’ohatra no entin’i Jesoa mampahery ny mpianany ka hanoharany ny fahoriana tsy maintsy holalovany amin’ny vehivavy hiteraka , mangirifiry eo am-piterahana fa feno fifaliana rehefa teraka , entiny milaza ny hamafin’ny fiaretany ny fahoriana fa entiny manambara ny fitsanganany amin’ny maty kosa ny fahaterahana ka mivadika ho fifalianatsy manam-paharoa ny ranomaso teo , resy tosika ny hakiviana, fa fifaliana tsy misy afaka manaisotra no misolo toerana azy.

3-Izay mangataka Aminy valiany (and 23,24)

Lazain’i Jesoa eto fa tsy tokony hiahoatra ny mino hangataka aminy , ary ampirisihany mihitsy aza hoe : « mangataha dia hahazo ianareo , mba ho tanteraka ny fifalianareo » . Aza manahy àry fa sahia mivavaka mangataka amin’i Jesoa fa efa nampanantena hamaly Izy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare ary tsy fohy ny tànany fa mahavonjy ary ny teniny rahateo tanterahiny mandrakariva .Na izany aza manana ny fotoanany sy ny fandaminany Izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.