MOFON’AINA ALAKAMISY 24 FEBROARY 2022

16 Ary Jehovah nihaona tamin’i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao. 17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’i Jehovah? 18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’i Zipora;19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?20 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.21 Tsy mijery faharatsiana eo amin’i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’andriana no re eo aminy.22 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin’i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’Isiraely. Fa amin’ny fotoana no hilazana amin’i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’i Jehovah.24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ny voavono.NOMERY 23:16 – 24

Ny tantaran’i Balama sy Balaka mpanjaka no ao amin’ny Nomery 22 – 24, misy faminaniana in-efatra miantaona nataon’i Balama ao, ary ity perikopantsika anio ity dia tafiditra ao amin’ny faminaniana faharoa nataony. Misongadina eto fa ny mpaminany tena avy amin’i Jehovah dia:

1. Tsy milaza afa-tsy izay asaina ambarany

Mazava mihitsy eto fa Jehovah « nanisy teny » (and. 16) teo ambavan’i Balama vao naniraka hoe : « izany no holazainao », azo takarina avy amin’izany fa ny tena mpaminany nirahin’Andriamanitra marina dia mampita ny Tenin’Andriamanitra, tsy hanampiana ary tsy analana. Ary toy izany koa i Jesoa, izay nasain’ny Tompo ambara sy atao ihany no nataony ka nahasahiany nilaza hoe : « Vita » (Jao. 19 : 30). Mitandrema ary tsy ho voatafika fa maro amin’izao vaninandro izao no milaza ho mpaminany kanefa mitory fa tsy mitoriteny!

2. Tsy mpitady tombontsoa

Tsy afa-po tamin’ny tsodrano nataon’i Balama ho an’ny Israely i Balaka, satria ny hanozona ireo no notadiaviny ka nilany an’i Balama, fa mitana ny Teniny ny Tompo: tso-drano no omena ny Israely fa tsy fanozonana araka izay tian’i Balaka. Notambazana homena « Voninahitra » i Balama mba hanao izay tadiavin’i Balaka fa tsy namidiny ny hafatra manokana, na dia im-betsaka aza no nisisika i Balaka. Tsarovy ary fa izay tena avy amin’Andriamanitra tokoa dia tsy mpitady tombontsoa na mpanao kajikajy hahazoam-bola aman-karena sy voninahitra ary laza ka misehoseho etsy sy eroa sy milaza izay tian’ny olona ho re fotsiny hakana ny fony mba hampisokatra ny poketrany!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.