MOFON’AINA ALATSINAINY 21 MARTSA 2022

12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra? 13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ny seza fiandrianan’i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema. 14 Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy. 15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. 16 Manomeza voninahitra an’i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito. 17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’i Jehovah.JEREMIA 13:12-17

MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO

Olona tsy nanaja ny fanekena nataony tamin’Andriamanitra no niantefan’ity faminaniana nataon’i Jeremia ity. Antso ho antsika ihany koa sao ho tonga miavonavona isika ka tsy hahay hibebaka.

1-Tandremo ny fo feno avonavona

Nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany ny tsy mety ataon’ny olona, kanefa izany dia nahatonga toe-javatra nanamafy ny fon’izy ireo. Tsy nosaininy akory fa lasa lavitra an’Andriamanitra izy noho ny fahotany. Tsy hafa amin’izany isika ankehitriny (Isa 59 :2). Antsoin’Andriamanitra mba hiala amin’ny faharatsiana ary tena hiaiky heloka eo anatrehany, fa fototry ny fiainam-baovao izany .

2-Fotoana fanararaotra izao

Dieny tsy mbola tonga ny aizina, hoy i Jeremia eto. Ny ambara hoe: « haizina » dia tsy inona fa ilay fanasaziana, ilay fotoana hialan’ny fiarovan’Andriamanitra ka hanjakan’ny fahoriana atobaky ny fahavalo .Izany indrindra no tsy maintsy hanararaotana raha mbola tsy tonga izany .Io no andron’ny aizina, ilay feno tomany sy horohoro noho ny fanenenana, noho ny ratsy vita. « Dia hoy i Jesoa taminy : Mbola kely ihany no itoeran’ny mazava aminareo .Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina, fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany » (Jao 12 :35)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.