MOFON’AINA TALATA 22 MARTSA 2022

27Ary nisy lehilahin’Andriamanitra nankany amin’i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin’ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon’i Farao izy? 28Eny, nofidiko tamin’ny firenen’Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin’ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an’ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ny Zanak’Isiraely amin’ny afo. 29Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin’ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin’izay tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra aterin’ny Isiraely oloko? 30Koa izany no anaovan’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. 31Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ny taranakao. 32Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an’ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ny taranakao mandrakizay. 33Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan’ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony. 34Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy. 35Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay izy. 36Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.I SAMOELA 2:27-36

NY TOMPO MAMALY NY NATAO

1-Tandremo ny asa fanompoanao (and 28)

Nofidin’Andriamanitra ho amin’ny zara -fanompoana masina Ely sy ny zanany , ary tamin’izany dia nomen’Andriamanitra azy izay rehetra nilainy (vakio and 28).Tadidio fa na iza na iza isika voaantso ho amin’ny fanompoana dia tokony hahatsiaro fa tena voaantso kosa dia hiezaka handini-tena amin’ny fahatokisan’Andriamanitra antsika .Izay nahazo andraikitra dia tokony hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra mihoatra ny asa hahazoantsika karama, satria novonjena maimaimpoana isika fa tsy sanatria hoe : miasa mba ho voavonjy (vakio 1 Kor 4 :1).Tsy azo ary tsy voavidim-bola ny famonjena fa maimaimpoana .

2-Hajao ny asa fanompoanao (and 29)

Hitan’Andriamanitra izay ataontsika ary saro-piaro amin’ny Voninahiny Izy .Izany no nitenenany mafy tamin’i Ely teto .Nataony ambony noho ny fanompoany ny fahafinaretany .Saro-piaro amin’ny Voninahiny ny Tompo .Tsy voataizan’i Ely ny zanany ka nanaonao foana .Isika ihany koa na iza na iza manana zara fanompoana , indrindra isika mpianakavy anatin’ny ankohonana dia mila mifandinika mandrakariva sao sanatria misy iray manimba sy miteny ratsy ny asan’nyTompo .Tombom-pahasoavana lehibe ho an’ny ankohonana mantsy ny fisian’ny mpanompon’Andriamanitra ao an-tokantrano .« Aza mety hofitahina ianareo .Andriamanitra tsy azo vazivazina , fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Gal 6 :7)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.