MOFON’AINA ALATSINAINY 22 NOVAMBRA 2021

21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ny fanorenan’ny tany? 22 Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana; 23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ny tany ho tahaka ny zava-poana. 24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ny tany ny fotony, dia notsofin’Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy. 25 Koa ampitovinareo amin’iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. 26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. 27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; 31 Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
ISAIA 40 : 21 – 31

MATOKIA ARY MIANDRASA NY TOMPO

  1. Fa Andriamanitra Lehibe sy tsy manan-tsahala Izy (and 21 – 26)

Ny andriamanitry ny firenena maro eto ambonin’ny tany dia asatanan’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, toy ny volana aman-kintana, ary ko asan-tanan’olombelona toy ny sary sikotra. Kanefa ny an’ny Israely dia Ilay Mpamorona mihitsy. Izy ihany koa dia tsy manan-tsahala fa efa hatrizay ary mandrakizay, fa tsy mba toy ny an’ny olombelona manam-piandohana sy fiafarana. Izay matoky an’I Jehovah Andriamanitra izany dia tafatoetra mandrakizay foana. Hoy Izy hoe : «  Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra Amiko ». Hadisoina be mihitsy ny mampitaha an’I Jehovah amin’ny hafa satria ny Iray Mpamorona ny sasany noforonina. Tsy fampitaha izany.

  1. Andriamanitra tsy manan-tsiny Izy (and 30 – 31)

Ny tanora, na dia ao anatin’ny fahatanorany aza, dia mety ho reraka. Ary na dia ny mpiazakazaka fanta-daza aza dia mety mbola hianjera matetika. Izany ny olombelona, manam-pahadisoana aman-tsiny mandrakariva; fa tsy mba misy amin’Andriamanitsika izany. Mpahazo ny olombelona ny hadisoana fa tsy hita amin’Andriamanitra izany. Milamin-tsaina sy fo ny olona izay matoky Azy. Tsy dokam-barotra manodoka anie izany!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.