MOFON’AINA TALATA 23 NOVAMBRA 2021

20 Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. 21 Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. 22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. 23 Fa lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity. 24 Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa. 25 Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. 27 Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
LIOKA 21 : 20 – 28

MILA MAMPITONY NY FONTSIKA MANDRAKARIVA ISIKA

1.Satria eo am-pelatanan’ny Tompontsika izay zava-mitranga rehetra (and 24)

Maminany izay zavatra mbola hitranga amin’I Jerosalema I Jesoa teto. Tanteraka tokoa izany tamin’ny taona 70 taorian’I Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanjakana Romana, izay namotika an’I Jerosalema. Voafetra ihany anefa izany fanjakazakan’ny Jentilisa tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izany , satria Izy no mitantana ny fiainan’izao tontolo izao. Na dia manampatra fahefana aza satana dia tsy izy no mibaiko izao tontolo izao fa Andriamanitra Tompontsika. Manjazaka fotsiny I Satana.

Na dia mahatsiaro mijaly aza isika satria anjakazakan’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra dia aza manary toky, fa mbola ho faranan’Andriamantra io satria manana fahefana hanao izany Izy. Mety mbola alina fotsiny ny andro fa mbola ho avy ny maraina . Hoy ny Ohabolana 13 : 18 hoe : « Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao »

2-Amin’izay zavatra ho avy amin’ny fiavian’I Jesoa Kristy indray (and 25 – 28)

Eto indray I Jesoa dia maminany izay hitranga amin’ny fotoana hiverenany indray. Mahatsiravina tokoa izay hitranga amin’izany , kanefa aza matahotra fa fifaliana ho antsika olon’I Kristy izany, satria fotoana hamaranana ny herin’ny ratsy sy fotoanan’ny fanavotana antsika. Avelao ny tsy matahotra Azy no hivadi-po, fa isika aoka hanantena amin’ny fo sy saina tony fa andro tsy ratsy amintsika Kristianina izany. Izao dia manomboka manamboatra saina amin’izany isika mba tsy ho tampoka satria tsy maintsy hisy izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.