MOFON’AINA ALATSINAINY 25 OKTOBRA 2021

16 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.17 Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.18 Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ ny filazantsara any amin’ ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;19 ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.20 Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’ izao harena be angoninay izao;21 fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ ny Tompo ihany, fa eny imason’ ny olona koa.22 Ary nirahinay niaraka tamin’ ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ ny fahatokiany anareo.23 Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.24 Koa amin’ izany asehoy aminy eo imason’ ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
2 KORINTIANINA 8 :16 – 24

NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA DIA MANAO IZAY MAHAMENDRIKA

« Fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa » ( and 21)

 1 – Eo imason’ny Tompo

Ny hevitry ny hoe « manao izay mahamendrika » dia hoe : manao zavatra tsara sy izay araka ny sitrapon’Andriamanitra, raha hitarina dia hoe : manao ny asan’Andriamanitra amin’ny fieritreretana madio. Ny Tompo rahateo tsy azo anafenana fa mahalala ny miafina rehetra, « mandinika ny voa sy ny fo » ( Apok 2 : 23 ) . Taomina araka izany isika mba tsy hanadino fa mibaribary amin’ny Tompo avokoa ny zavatra ataontsika rehetra, koa aoka ho marina eo anatrehan’I Jesoa isika na amin’ny fieritreretrana na amin’ny fisainana na amin’ny atao, i Jesoa rahateo manamafy fa « tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho » (Lio 8 : 17 ).

2 – Ary eo imason’ny olona

Eo anoloan’ny famoriam-bola natao hanampiana ny Kristiana sahirana tany Jerosalema, dia mitandrina fatratra i Paoly eto mba tsy hahazo tsiny, izany hoe : marina amin’ny olona rehetra ny asany mba tsy hisy hiampanga azy ho mpanambaka na mpila tombontsoa manokana ho an’ny tenany. Mitandro fatratra ny Voninahitr’Andriamanitra izy mba tsy ho avy aminy no hitenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra. Ianao koa, tandremo mba tsy hisy azon’ny olona hiampangana anao, indrindra ny amin’ny resa-bola, izay mahalavo ny maro ankehitriny.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.