MOFON’AINA TALATA 26 OKTOBRA 2021

19 Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.20 Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.21 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Ianao Ka efa famonjena ahy.22 Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.23 Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.24 Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!26 Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.29 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindrampony.
SALAMO 118 : 19 – 29

« Hidera anao aho fa efa namaly ahy Ianao ka efa famonjena ahy » (and 21)

TSY MENATRA NY HO VAVOLOMBELON’NY TOMPO SATRIA :

1 – Mamaly vavaka Andriamanitra

« … fa efa namaly ahy Ianao » hoy ny mpanao Salamo eto, namaly vavaka no tiany ambara amin’izany. Ity mpanao salamo ity dia nodidinin-doza noho ny nafitsoky ny fahavalony taminy sy tamin’ny fireneny. Teo anatrehan’izany dia niantoraka tamin’Andriamanitra izy, niantso an’Andriamanitra (and 5) ary nohenoin’Andriamanitra tokoa ka novaliany. Miharihary eto fa Andriamanitra dia mandre sady mamaly koa. Taomina isika araka izany tsy hisalasala hiantoraka Aminy ary ho sahy mijoro koa fa tena mamaly vavaka Izy. Modely omen’i Jesoa antsika rahateo ny fiantorahana amin’Andriamanitra indrindra eo anoloan’ny ady saotra (Mar 14 : 36 ) noho ny fahatokiana fa mamaly tokoa Izy.

2- Mahagaga ny famonjen’Andriamanitra

« Ka efa famonjena ahy » hoy ihany ny mpanao salamo eto. Mifono ao anatin’izany fa tsy hoe : nihaino fotsiny Andriamanitra fa sady miasa manatanteraka famonjena ho an’ny olony, ary amin’ny fomba tsy takatry ny saina, izany no mahaloa-bolana ny mpanao salamo eto hoe : « avy tamin’I Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika ». Rehefa Izy no miditra an-tsehatra mamonjy ny olony dia miova tanteraka ny toe-javatra ka « ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro indrindra ». Asa mahagaga ny famonjena tao amin’i Jesoa Kristy ka fahafatesana aza resy. Torio sy ambarao izany ho ren’izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.