MOFON’AINA ALATSINAINY 28 JONA 2021

16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofony19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’ Andriamanitra.20 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy hianareo ka efa afaka tamin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’ izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe:21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -22 levona amin’ ny fanaovana ihany izany rehetra izany – araka ny didy sy ny fampianaran’ olona?23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
KOLOSIANA 2 :16 – 23

NY AMIN’NY FINOANA AN’I JESOA KRISTY

1- Kristy Mpamonjy

Misy zava-tsarotra ambaran’i Paoly eto amin’ity Soratra Masina ity dia izay ambarany ho aloky ny zavatra ho avy. Ambarany fa ny fombafomba rehetra fanao tamin’ny lasa ireny dia ireo fomba fivavahana samihafa ireo (and.16). Amin’i Paoly dia efa manana ny ampy ny Kolosiana ao amin’i Jesoa Kristy. Fa isika ihany koa dia efa nampanantenain’ny Tompo hoe: « Ampy ho anao ny Fahasoavako… ». Mampatahotra fa rehefa fentim-pirenena tahaka izao dia fohazin’ny olona ireo fanompoan-tsampy maro samihafa teto amin’ny firenena. Tsy maintsy mijoro amin’ny finoana araka izany isika satria ampy ho antsika Malagasy ny fitiavan’Andriamanitra dia i Jesoa Kristy Zanany. « Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy » (Jao. 3. 36)

2- Kristy Mpanafaka

Izay ananaran’i Paoly ihany koa dia ireo fombam-pivavahana izay tena fampianaran-diso mihitsy. Ireny dia fanompoan-tsampy mihitsy tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ( Jereo and.18 . 19). Manameloka izany Paoly eto ary miantso ny olona ho feno fahalalana an’I Kristy. Ny fady tsy araka ny baiboly, fa izay nolovaina tamin’ireo fivavahana tsy izy sy fanompoan-tsampy dia tena sarotra amintsika Malagasy ny miala aminy. Matetika mihevitra isika fa ireny mihitsy no maha Malagasy antsika. Hany ka maro no mifikitra aminy. Fadin-drazana hoy isika. Kanefa isika dia efa nomena fahalalana ao amin’i Jesoa araka ny teny hoe: « Koa raha ny Zanaka no hahafaka, dia ho afaka tokoa ianareo« (Jao.8. 36)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.