MOFON’AINA ALATSINAINY 28 MARTSA 2022

15Ary tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ny olona vory teo) ka nanao hoe: 16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ny Soratra Masina nampilazain’ny Fanahy Masina rahateo an’i Davida ny amin’i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’i Jesoa; 17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’izao fanompoana izao koa. 18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy. 19Ary fantatr’izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’izany saha izany amin’ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà. 20Fa voasoratra eo amin’ny Bokin’ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69 : 25); ary koa: Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109 :8).ASAN’NY APOSTOLY 1:15-20

MITOERA HO MPANOMPO MAHATOKY

Ity tantara ity dia notsongaina tao amin’ny tantara manambara ny nifidianana izay ho solon’i Jodasy izay namadika an’i Jesoa .

1-Dia hazony ny antso niantsoana anao

Nitsangana teo afovoan’ny mpianatra rehetra i Petera ka nanambara fa i Jodasy dia efa nahazo ny zara fanompoana mitovy amin’ny mpianatry ny Tompo rehetra. Izany fanambarana izany dia maneho fa tsy afaka hirehareha fotsiny isika fa manana ny Tompo .Mila mitandrina ihany koa sao ho voarombak’i satana. « Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (1 Kor 10.12)

2-Fa zava-tsarobidy no efa nomena anao

Efa tao anaty toerana tsara i Jodasy ,saingy tratry ny mena miraviravy ka nanakalo vola ny fitahiana sy ny fahasoavana teo anilan’i Jesoa.Maro isika no manome tsiny azy , noho izany fahalavoany izany, kanefa maro be isika no tratran’ny fakampanahy hamadika nyTompo . Amin’izany dia sahintsika ny mandà an’i Jesoa amin’ny tombotsoa samihafa. Vitantsika ny mijanona tsy mankany am-piangonana na miala amin’ny asa fanompoana noho ny fitadiavam-bola na raharaham-barotra. Adinontsika tanteraka ny Tenin’iJesoa hoe: « Kanefa, katsaho ny fanjakany dia hanampy ho anareo izany zavatra izany » (Lio 12 :31) sy ilay nambaran’i Solomona hoe: « zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana.Izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy » (Sal 127 :2)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.