MOFON’AINA ALAROBIA 30 MARTSA 2022

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia ny amin’ny Joda rehetra tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona 2 dia izay nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’ny Joda rehetra sy tamin’ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe: 3 Hatramin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo. 4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe: 5 Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin’ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin’ny tany izay nomen’i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay. 6 Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan’ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho. 7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin’ny asan’ny tananareo hahitanareo loza. 8 Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, 9 dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay. 10 Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro. 11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona. 12 Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay. 13 Ary hotoviko amin’izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, izay novinanin’i Jeremia hamely ny firenena rehetra. 14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ny tànany avy izy.JEREMIA 25:1-14

MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO

1-Meteza hihaino ny Tompo

Ny alahelon’Andriamanitra no hita eto amin’ity perikopa ity. Nanantena Andriamanitra fa hanaraka ny didiny ny olony, kanjo zava-poana izany. Ambaran’i Jeremia eto fa nandritra ny 23 Taona no nanambarany ny hafatr’Andriamanitra, saingy tsy nihaino ny olona. Ary tsy izany ihany fa nisy mpaminany maro hafa koa nirahina hanambara fa tsy nihaino ny olona. Mahatezitra an’Andriamanitra ny tsy fetezantsika hihaino Azy .Tsy ity Boky Mofonaina ity ihany no efa nitenenan’ny Tompo antsika, fa efa fomba maro , saingy tsy mihaino Azy isika . (Vakio ny Mar 1 :11)

2-Mialà amin’ny ratsy ianao

Misy teny fampanantenana efa nomen’ny Tompo ny Zanak’Israely dia hy fandovana ny tany Kanana izay tany tondra-dronono sy tantely, saingy ambaran’Andriamanitra eto fa raha tsy miala amin’ny ratsy fanaony izy ireo dia esorin’Andriamanitra amin’izany .Moa tsy toy izany koa va ny hafatra ataon’ny Tompo amintsika anio ? Samia miala amin’ny làlan-dratsinareo avy ianareo ary aza manaraka andriamanin-kafa sy manompo sampy. Raha vitantsika izany dia hamponenin’Andriamanitra amintsika ny fitahiana .Fa mandositra antsika ny fitahiana satria maloto eo anatrehany isika. « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo , ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo , ka dia tsy mihaino Izy » (Isa 59 :2)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.