MOFON’AINA ALATSINAINY 8 AOGOSITRA 2022

7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? 10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? 11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy? 12 Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.13 Midira amin’ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. 14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. 16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? 17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. 18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. 20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.MATIO 7:7-20

NY MPINO KRISTIANINA

1- Sahy mangataka amin’ny Tompo

« Mangataha dia homena ianareo, mitadiava, dia hahita ianareo » (and. 7)
Tsy voatanisa ireo azonntsika angatahina amin’ny Tompo
toy ny fahendrena (Jak 1 :5), finoana (Lio 17 :5), famindram-po (Mat 9 :27), fanasitranana (Mat 8 :8) sy ireo maro tsy voatanisa. Ilaina atao mazava tsara ny adiresy hangatahana: « Amin’ny anaran’i Jesoa » (Jao 14.14). Sahia mangataka amin’ny Tompo ianao.

2- Misafidy ny làlana tery

« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy » (and. 14). Tsy Demokrasia no ampiharina amin’ny finoana ka hanaraka an-jambany ny maro an’isa. Matetika ireny no mamarina an-kady. Mila miavaka amin’izao tontolo izao ny mpino. Na tapaky ny maro an’isa aza ka mifanohitra amin‘ny sitrapon’Andriamanitra dia mijoro amin’ny finoana isika

3- Mitandrina amin’ny mpaminany sandoka

« Mitandrema ianareo sao voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin ‘ny fitafian’ny ondry »(and. 15). Maro ireo manao Tompoko, Tompoko, mampiasa andinin-tSoratra Masina, maneho fahagagana, te hisarika ny mpino amin’ny fampianarana sadasada. Tsaraina amin’ny asany ny olona fa tsy amin’ny fiteniny.

4- Mamoa voa tsara

« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara » (and. 18). Izay tena miorina amin’ ny finoana marina dia mijoro ho fanasina sy fahazavana. Mahery amin’ny teny sy ny asa be. Mitory ny filazantsara ary mahababo olona ho an’ny Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.