MOFON’AINA ASABOTSY 05 JONA 2021

18 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy.22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy.23 Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe « sain-dalin’ i Satana », dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa hianareo;25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ ny farany dia homeko fahefana amin’ ny jentilisa;27 ary hiandry azy amin’ ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ ny Raiko.28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
APOKALYPSY 2 :18-29

JESOA ZANAK’ANDRIAMANITRA

Ho fampaherezana ireo kristiana niharan’ny fanenjehana, ho fampaherezana ireo kristiana niezaka nijoro ho vavolombelon’i Jesoa tamin’ny fotoan-tsarotra no antony nanoratan’i Jaona ny Apokalypsy. Ny tanjona tamin’izany dia ny hampahafantatra fa i Jesoa, izay ninoan’izy ireo dia efa nandresy teto amin’izao tontolo izao, ka manjaka ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Jesoa Zanak’Andriamanitra dia :

1-Mahalala tsara ny olony (and 19)

Fantatr’i Jesoa amin’ny antsipirihany ny momba ny olony araka izay ambaran’i Jaona eto : asa, fitiavana manao ny asa, finoana manosika hiasa, faharetana amin’ny asa. Tsy misy miafina amin’i Jesoa araka izany ny fiainan’ny mpanompony, ny fiainan’ny mino eo am-pijoroana vavolombelona. Andriamanitra mahita sy mahatsapa ny zavatra rehetra tokoa mantsy i Jesoa . Zava-dehibe ho an’ny mino ny mahalala an’izany, satria fantany fa mijery sy tena mahita azy ny Tompony .

2-Mamaly ny olona araka ny asany (and 23)

Mifanaraka amin’ny asa tanterahin’ny olona no valim-pitia azony antenaina avy amin’Andriamanitra. Andriamanitra marina i Jesoa ka mamaly ny olona araka ny ezaka rehetra tanterahiny amin’ny fanompoana Azy. Tsy misy miasa jamba rafozana izany ao amin’i Jesoa. Tsy maintsy hahazo valim-pitia avokoa izay mikely aina tsara avy amin’ny Tompo izy, raha ratsy kosa dia hahazo valiny mifanaraka amin’izany avy amin’ny Tompo koa izy. Raha tsy maintsy hahazo valin’asa avy amin’ny Tompo ihany, aleo miezaka manao asa tsara fa hahazo valim-pitia tsara avy amin’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra