MOFON’AINA SABOTSY 14 MAY 2022

20Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. 21Ary tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. 22Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. 23Ary nitodika tamin’ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. 24Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.LIOKA 10:20-24

NY TENA FIFALIANA

1 -Izay tokony hifalian’ny mpianatra.

Naniraka ny mpianany Jesoa mba handeha hitory ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary tamin’izany dia nisy ny fandaminana natao, ka nirahina handeha tsiroaroa ireo mpianatra. Tafika Masina Lehibe no azo ilazana izany, raha amin’ny andron’ny Fiangonana ankehitriny. Rehefa vita ny iraka nampanaovina ireo mpianatra dia nanao tatitra izy ireo, ary faly ery noho ny vokatra azo, fa nanaiky azy ireo hatramin’ny demonia. Tamin’izany no nampitandreman’i Jesoa azy ireo ka nilazany fa ny tokony ho fototry ny fifalian’ny mpino dia tsy fananany hery enti-mandresy sy demony, na ny fahombiazana amin’ny asa fanompoana. Fa izay tokony hahafaly azy indrindra dia ny fahazoana antoka fa afaka tamin’ny fahotana, ary efa notendren’ny Ray ho isan’ny vahoakan’ny fanjakan’Andriamanitra (and.20.)

2- Ny fifalian’i Jesoa.

Faly Jesoa satria manana fijery mitovy Aminy ny Ray any an-danitra. Tsy ireo milaza azy ho hendry sy manan-tsaina mantsy no nampahafantarin’ny Ray ny fahamarinana ambaran’ny Teniny. Ireo no oharina amin’ny zaza madinika. Raha tsy mitandrina ireo olona mihevi-tena ho hendry sy manam-pahalalana, dia ho latsaka amin’ny fisalasalana sy fanambonian-tena manoloana ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Ho tonga zava-tsarotra amin’izy ireny ny hanaiky an’i Jesoa Kristy ho Ilay nirahin’Andriamanitra araka ny nambaran’ny Soratra Masina. Izany toe-javatra izany dia tokony hitarika antsika hanetry tena sy hiova ho tahaka ny zaza.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.