Mofon’aina – Sabotsy 19 novambra 2016

29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako;30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy hianao.31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
LIOKA 15 : 29-32

NY FITIAVAN’NY RAY

Ny tantaran’ilay zanaka adala dia maneho ny tena fitiavan’ Andriamanitra antsika .

1-Mandray ny mpanota mibebaka

Nody ilay zanaka nania. Tena faly ilay rainy ka nanao fanasana tena miavaka ho fandraisany indray ity zanany. Toy izany koa isika zanak’ Andriamanitra . Onena sy malahelo Andriamanitra raha mania isika. Koa miandrandra ny fiverenantsika Aminy hatrany Izy , hanehoany fa tiany isika ka hanehoany ny fitiavany sy ny famindrampony . Handraisany antsika ho tena zanany indray ka hanomanany fanasana manokana dia ny fiombonantsika fiainana ao amin’ny fanjakany.

2-Mananatra sy manitsy ireo hevi-diso

Na nisy aza ny fifaliana tao an-trano dia tsy nety niditra niara-nifaly tamin’izany kosa ity zokiny nilaza fa nanompo sy nanaraka ny didin’ny rainy hatrany . Izany dia maneho fa misy ny karazan’olona manompo amin’ny fombafomba ivelany fotsiny, kanefa ao anaty ao misy toe-tsaina te-hanamari-tena mandrakariva, tsy faly amin’ ny fandrosoan’ny hafa. Tsy ankasitrahan’ Andriamanitra ny toe-tsaina toy izany. Mahaiza mifaly raha mahita olona maiverina manolo-tena na mnavao ny fanolorantenany ho an’ny Tompo.

Fanontaniana:

Nahoana no misy tsy mahay mifaly amin’ny fiverenan’ny hafa amin’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !