Mofon’aina – Alakamisy 17 novambra 2016

7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? 8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.9 Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.10 Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana
JOBA 4 : 7 – 10

MANDRAY NY VALIN’NY NATAONY NY OLONA

I Elifaza eto miteny. Raha dinihina ny teny entiny eto dia ahitana taratra fa tsy manan-tsiny i Joba manoloana ny voina nihatra taminy. Azo antoka ny fanantenana ny ho aviny.

1.Tsinjovin’Andriamanitra ny olo-marina

Resy lahatra i Elifaza fa tsinjovin’Andriamanitra hatrany ny olona miaina amin’ny fahamarinana. Koa, na dia eo aza ny toe-javatra mihatra amin’i Joba, dia azo heverina ny hisian’ny fanantenana hitsinjovan’Andriamanitra ny hoaviny, raha mandeha amin’ny fahamarinana tokoa izy. Mitaona antsika koa izany fa marina Andriamanitra ivavahantsika. Rehefa mitana ny fahamarinana isika dia mitsinjo mandrakariva Izy. Mety hisy lalan-tsarotra izorantsika, nefa hoavy mamiratra no voaomana ho antsika.

2.Aringan’Andriamanitra ny mpanao meloka

Manana ny safidiny hitondrana ny fiainany ny olona tsirairay. Toy ny mpamafy izy ka mijinja ny vokatry ny asany. Miseho mazava tsara eto fa mitondra ny olona ho amin’ny fahoriana ny fizorana amin’ny lalam-pahotana; tsy fijaliana fotsiny aza fa tena fandringanana sy faharavam-piainana mihitsy. Mazava, araka izany, fa ilay Andriamanitra Marina sy Masina dia tsy mankasitraka ny fizorana ho amin’ny lalan-tsy marina. Manafay Izy mba hamerina ny olona amin’ny lalaa marina. Fantaro àry ny lalana izorana.

Fanontaniana:

Ahoana kosa ny olona mandeha amin’ny tsy fahamarinana nefa manam-piadanana? (Sal 73)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !