MOFON’AINA SABOTSY 26 MARTSA 2022

36Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin’ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.37Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,38Izay nihinana ny saboran’ny fanatiny Ary nisotro ny divain’ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.39Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ny tanako.40Fa manangana ny tanako amin’ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:41Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.42Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran’ny voavono sy ny babo Mbamin’ny lohan’izay lehibe amin’ny fahavalo.43Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony; Fa ny ran’ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olonyDEOTERONOMIA 32:36-43

FAMALIANA TSY MIANGATRA NO ATAON’NY TOMPO

1-Manafay izay mpivadika

Fihirana nataon’i Mosesy ity perikopa ity .Taorian’ny anatra farany nataony no nanolorany azy ity ho an’ny Zanak’Israely. Ireo no lazainy hoe : mpandrafy Azy dia ireo ambarany eo amin’ny and 5, fa taranaka miolakolaka sy mivadika Aminy . Dia mahatsiaro ny Tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany isika manao hoe : « Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy » (Lio 11 :23). Amin’ny fotoana hialantsika amin’Andriamanitra no hirotsahantsika an-tsehatra ho amin’ny fanoherana Azy. Dia ho tonga ny famaliana ataony. Hoy i Paoly : « Aza mety hofitahina ianareo . Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Gal 6 :7)

2-Manavotra izay mino

Avotan’Andriamanitra amin’ny loza sy fahasahiranana samihafa isika raha mifikitra Aminy satria tsy ataony maty antoka izay manompo Azy marina tokoa. Ny atao hoe : olon’Andriamanitra dia izay mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana ary miezaka hanatanteraka ny Teniny « …ny olonao marina dia ho velon’ny finoana » ( Heb 10 :38 ) . Mahagaga loatra ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy isika ihany no omeny fahasoavana fa ny tamintsika ihany koa ary ambininy amin’izay atao isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.