MOFON’AINA SABOTSY 29 OKTOBRA 2022

24Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe. 25Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. 26Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. 27Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. 28Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; 29koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, 30mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’isiraely roa ambin’ny folo.LIOKA 22 :24-30

TAOMIN’I JESOA NY MPIANANY

1-Tsy hiady voninahitra (and 24)

Hoy i Jesoa hoe : « …fa tsy mba toy izany ianareo , fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry , ary izay manapaka dia aoka ho toy ny manompo » .Nofaranan’I Jesoa ny fifandiran’ny mpianatra dia nohazavainy fa tsy mitovy amin’ny fijerin’izao tontolo izao ny fomba fijery tokony ananan’izay manara-dia an’i Jesoa .Eto amin’izao tontolo izao dia hihazakazahana ny fanondrotan-tena , ny fanambonian-tena ka hampisongadinana ho lehibe sy ambony ary atao mihitsy aza ny fomba rehetra hahazoana izay heverina ho « toeram-boninahitra » izany .Fa ho an’ny kristiana kosa, tsy ny halaza na hitady toeram-boninahitra eto an-tany akory ny antom-pisiana fa ny soatoavin’ny fanompoana .

2- Hianatra fanetrentena Aminy (and 27b)

Manohy ny teniny i Jesoa eto hoe : « …Fa izaho dia eo aminareo toy izay manompo » ,izany hoe: misarika ny sain’ny mpianatra izay hianatra aminy ,dia Izy izay nanana ny toerany ambony eto amin’izao tontolo izao fa nanaiky hietry haka ny toeran’ny mpanompo mba hamonjena izao tontolo izao .Isika koa taomina mba ho ao anatintsika ny fanahin’ny fanompoana sy ny fanetrentena fa mazava ny fampianaran’I Jesoa anie « fa izay manetry tena no asandratra ary izay manetry tena no haetry » (Mat 23.12)

3-Hahazo fa mahalala ny ataony I Jesoa (and 29)

« Koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo …mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fabjakako… »

Tian’I Jesoa ampitaina eto fa mahalala ny tokony hataony amin’ny mpiasany Izy , tsy avelany ho very maina akory ny faharetana sy ny fiaretana manaraka Azy .Mifalia isika !

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.