MOFON’AINA ZOMA 28 OKTOBRA 2022

29Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon’ny Joda sy Jerosalema rehetra. 30Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena, izay hita tao an-tranon’i Jehovah. 31Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany, 32sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany 33Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin’ny Isiraely hanompo an’i Jehovah Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Josia dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.II TANTARA 34:29-33

Mampiavaka an’i Josia mpanjaka ny fahasahiany nanao fanitsiam-pivavahana tamin’ny androny rehefa hita indray ny bokin’ny lalàna. Modely noomen’ity mpanjaka hendry ity fa manana adidy isika :

1-Hanao izay handrenesan’ny olona rehetra ny Tenin’Andriamanitra (and 30)

« dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema …na lehibe na kely dia novakiany teo antrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena … » hoy ny fitantarana eto .

Maneho amintsika izany fa rehefa resy lahatry ny Tenin’Andriamanitra i Josia dia noraisiny ho andraikitra ny manao izay hampitana izany ko amin’ny mpiray firenena aminy, amin’ny sokajin’olona rehetra araka ny voatanisa eto. Moa ve tsy izany koa no nataon’i Jesoa ? Hitaomana antsika izany tsy ho tafandry mandry fa rehefa mahalala izany amin’ny hafa .Torio àry ny teny .Hamafiso ny tafika masina !

2-Hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika (and 31)

« Ary ny mpanjaka dia nanao fanekena teo anatrejan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny … »

Tsy mpitari-bato vilam-bava i Josia ary tsy hoe : mitory ka tonga amin’ny hoe : « aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho » , fa izy tenany mihitsy no lohalaharana maneho ampahibemaso ny fahavononany hanompo an’Andriamanitra .Tsy menatra izy ary tsy misy fihambahambana kely akory , sady tsy tamin’ny teny ihany fa narahiny asa izany ka « manaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’israely izy » (and 33).Isika koa taomina haneho miharihary ny finoantsika amin’ny teny sy asa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.