MOFON’AINA TALATA 1 FEBROARY 2022

21 Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 22 Ry zanak’olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin’ny tanin’ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? 23 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra. 24 Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin’ny taranak’Isiraely. 25 Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.26 Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 27 Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinaniny. 28 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo. »EZEKIELA 12:21-28

TSY MAINTSY HOTANTERAHINY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1-Manana ny fotoana voatendriny Izy

Mazava tsara ny antso nampitondrain’Andriamanitra ny mpaminany ho an’ny olona mandà ny fahitana : tsy tokony hatao fiteny ao amin’Israely intsony ny hoe : « tsinotsinona ny fahitana rehetra…mbola ela izany fahitana izany … » (and 22,27). Manana fotoana voatendriny hantanterahana ny Teniny Andriamanitra .Voalaza mazava tsara eto ny hoe : « Efa akaiky izany fotoana izany » (and 23). Manana ny fotoanany amin’ny fanatanterahana ny teniny eo amin’ny fiainanao ny Tompo. Minoa, matokia izay nambarany.

2-Marina sy mahatoky Izy

Ambaran’ny mpaminany fa marina sy mahatoky Andriamanitra ka tsy miova amin’ny teny nambarany (and 25).Tsy maintsy ho tanteraka ny teniny, hiharihary eo imason’ny olona rehetra izany. Tsy araka ny fihevitry ny olona (and 27) ny fihevitr’Andriamanitra, tsy miandry ela ny fanatanterahany izany (and 28).Mitaona antsika mpino kristiana hatrany fa marina ny Andriamanitra ivavahantsika. Marina Izy ka tsy miova amin’ny Teniny. Matokia fa hotanterahany aminao izany teny fampanantenana efa nambarany izany .Mazotoa mihaino sy mandray ny Tenin’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.