MOFON’AINA TALATA 12 JOLAY 2022

1Ary Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao. 2Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany. 3Dia naniraka tao amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany. 4Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; 5ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo. 6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ny tampon-trano. 7Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady. 8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy 9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo. 10Fa efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. 11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. 12Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho 13fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. 14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay. 15Dia nampidina azy tamin’ny mahazaka avy teo amin’ny varavarankely izy; fa teo amin’ny màndan’ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ny manda no nitoerany. 16Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’izay halehanareo.JOSOA 2:1-16

Ity tantara voalahatra ho antsika anio ity dia mampianatra artsika fa :

1- Hain’Andriamanitra ampiasaina ny jentilisa

«Dia niainga izy roalahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao » (and. 1b). Voalaza eto fa ireo mpisafo tany roalahy nirahin’i Josoa dia niantrano tao amin-dRahaba janga ary io fiantranoany tao io no nanavotra azy ireo tsy ho fatin’ny mpanjakan’i Jeriko sy ny mponina tao. Tsy kisendra akory io fihaonan’izy ireo tamin-dRahaba io fa maneho miharihary ny fahaizan’Andriamanitra mampiasa ny jentilisa hamonjena ny olony, ary tsy vao eto no miseho izany fa ny Egyptiana izao ohatra dia nasaina nampitondra zavatra ny Zanak’i Isiraely rehefa niala tao izy ireo. Ary ity Rahaba ity (ny dikan’ny hoe Rahaba dia hoe malalaka na midadasika) dia loharano nipoiran’i Jesoa Kristy izay namonjy izao tontolo izao. Mianara ary matoky ny fitondrana sy ny fandaminan’ Andriamanitra !

2- Hain’Andriamanitra vonjena ny jentilisa mino

Rehefa nahavonjy ny mpisafo tany roalahy i Rahaba dia nitsotra tamin’izy ireo fa matahotra ny Zanak’i Isiraely ny mponina tao Jeriko satria efa nandre ny fandresena nomen’Andriamanitra azy ireo (ny fiampitana ny ranomasina mena, ny namonoana ny mpanjakan ny Amorita…) ary ny mahavariana dia nanjary nino an ‘i Jehovah i Rahaba ary tafateny mihitsy hoe: « Jehovah Andriamanitrareo. Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany » (and 11b). Vokatr’izao fihaonana izao dia voatsimbina manokana i Rahaba sy ny ankohonan’ny rainy. izany hoe: izy sy ny fianakaviany manontolo. lanao koa, minoa an’ Andriamanitra fa hovonjena tokoa!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.